Marina Silva, filohan'i Brazily manaraka?

Nianjera vokatry ny andro ratsy tamin'ny 13 aogositra 2014 lasa teo ny fiaramanidina manokana nitondra an'i Eduardo Campos, izay kandidà natolotry ny Antoko Sosialista hilatsaka amin'ny fifidianana izay ho filoham-pirenena breziliana ny faha 5 oktobra 2014. Maty tamin'izany izy sy ny mpandeha 6 tao anatin'ilay fiaramanidina. Nandritra ny nanendrena azy ho kandidà dia nilaza izy fa Rtoa. Marina Silva no hataony ho filoha lefitra. Amin'izao ary dia miandry ny rehetra raha toa ka i Marina Silva no hotendren'ny Antoko havia hisolo toerana an'i Eduardo Campos hifaninana amin'ireo kandidà ho filoham-pirenena ka anisan'izany ny filoha am-perinasa Dilma Rousself.

Manana tombony manokana ihany i Marina Silva raha toa ka izy tokoa no hotendren'ny antokony satria mamy hoditra eo amin'ny tanora izy. Ny mety haha-raraka azy fotsiny araka ny fijerin'ny mpandinika dia noho ny fiadiany amin'ireo izay mpitrandraka ala izay mbola tompon'ny vola amin'ny faritra avaratr'i Brazily iny. Imbetsaka tokoa mantsy i Maria Silva no nifanehitra tamin'ireo mpitrandraka ala, indrindra ireo izay mpitrandraka antsokosoko, nandritra ny fotoana naha-minisitry ny tontolo iainana azy. Tsy nisalasala mihitsy izy nangataka ny fanampian'ny tafika hiady amin'ireo mpitrandraka ala. 

Fa iza tokoa moa i Marina Silva ary inona no mahatonga azy ho sarotiny amin'ny resaka tontolo iainana? Teraka tao Akra izy izay toerana manamorona an'i Amazonia. Niasa mafy sy niaina tahaka ny tanora miady amin'ny fiainana rehetra. Nahavita ny fianarany taranja Tantara ihany anefa izy ary nanomboka nirotsaka tamin'ny resaka sendikaly sy politika. Nanomboka nitarika fihetsiketsehana maro koa izy nanohitra ny famongorana ny ala any amin'ny manodidina ny Amazona. Nanomboka teo dia tsy nijanona tamin'ny tolona ho an'ny fiarovana ny ala izy. Notohizany izany hatramin'ny naha voafidy azy ho loholona tao amin'ny Antenimieran-doholona braziliana. Izany herim-pony tamin'ny fiarovana ny ala izany no anisan'ny nanendren'ny filoha Lula azy ho minisitry ny tontolo iainana ny taona 2003. Dimy taona taty aoriana anefa dia nametra-pialàna izy noho ny fahatsapàny fa tsy mirindra araka ny niheverany azy ny ady ataon'ny governemanta amin'ny mpitrandraka ala tsy ara-dalàna. Taorian'izay izy dia niditra tamin'ny antoko havia ary izao niomana tamin'ny firotsahana ho filoha lefitra izao.

Betsaka ireo manantena ny hanendrena an'i Marina Silva ho mpifaninana amin'ny filoham-pirenena sy manantena ny hahalàny azy, indrindra ireo mpikatroka ho an'ny fiarovana ny tontolo iainana. Andrandrain'izy ireo ho hery lehibe hiadiana amin'ny fanimbana an'i Amazonia ny fahalaniany ho filoham-pirenena.