Nodimandry i Prince

 

Nodimandry teo amin'ny faha 57 taonany ny alakamisy 21 aprily 2016 teo i Prince izay mpihira nanan-danja lehibe teo amin'ny tantaran'ny mozika. Nanao karazan-kira maro izy ary nahafantarana azy avokoa na rock na rnb na sould na hip-hop na ny pop mazava ho azy. Teraka tany Minneapolis any Minnesota izy ary dia mbola tao Minnesota ihany no nodimandry noho ny aretina tampoka nahazo azy.