Mitady mpanadio trano mpandala ny vita nanahary.

Any Angleterre any ankehitriny dia misy tolotr’asa ho an’ny mpandala ny vita nanahary ka maniry ny hiasa miboridana tanteraka. Tsara ny karama satria 55 euro isaky ny ora, ary tranon’ireo mitovy aminy ihany no iasany. Izany hoe samy miboridana ny iray trano na ny mpiasa na ny mpampiasa.

Nomarihin’ity birao mitady mpiasa ity anefa fa tsisy resaka firaisana ara-nofo mihitsy akory amin'izany ka ny fepetra dia tsy mahazo kitihana sy tsy azo alaina sary ireo mpiasa.

Misy karazany telo ny tolotra : na ny mpiasa fotsiny no miboridana, na ny mpampiasa fotsiny, na izy roaroa. Asa mahazatra toy ny isan’andro no atao : manala vovoka, manadio trano sy varavarankely,  manondraka zaridaina, manasa lamba, sns.

Laura Smith no niketrika ity tolotra asa ity raha indray andro nangataka taminy ny mpanadio ny tranony raha afaka manala ny akanjony iray manontolo eo am-piasana satria mpandala ny vita nanahary izy. Tsisy resaka firaisana ara-nofo mihitsy hoy izy fa natokana ho an’ireo olona manaraka io firehan-kevitra io.

Ka raha mety aminao dia afaka mametraka fangatahana asa ihany ianao.