Sary sy loko, hiampangana sy hanoherana ny herisetra amin'ny vehivavy.

 

     

Ny eritreritro teo am-panaovana azy ity, hoy i Emma Krenzer, tovovavy amerikana 19 taona, dia hampisehoana  ny fiantraikan’ny fikasihana olona iray, kasika arahana herisetra sy tsy ankafizina.

Ity no fomba entiny hanoherana ny herisetra atao amin’ny vehivavy. Tsotra ny fitaovana nampiasainy : nohalehibeaziny hitovy amin’ny haben’olombelona ny sarin’ny namany miboridana dia tamin’ny alalan’ny loko maro no nanehoany ny marika avelan’ny fikasihan-tànana eo amin’ny tenan’ny vehivavy. Azo lazaina ho sarintany ilay izy, ka nofaritany isaky ny loko ireo kasika mpahazo ny vehivavy : rangotra, safosafo, fihimpihina.  

Isaky ny nametraka dian-tànako teo amin’ilay sary aho, hoy ihany izy, dia toa tsapako koa ny zakain’ireo izay iharan’ny herisetra ara-nofo