Nanaitra ny filazan'i Beyoncé hoe mitoe-jaza izy

Miketrika mafy amin'ny resaka serasera sy fifandraisana mihitsy ny olo-malaza rehefa miditra amin'ny sosialim-pifandraisana hilaza ny mombamomba azy. Voakaly avokoa ny zavatra atao ary misy dikany fa tsy ataotao foana. Izany no hita taratra tamin'ny fanambaran'i Beyoncé fa mitoe-jaza izy ary kambana ny zaza haterany. Hafatra iray tao amin'ny Instagram no nilazany izany, hafatra efa nahazo "Like" 9 tapitrisa sahady amin'izao anoratanay izao, iray andro aty aoriana. Sary mifono hafatra goavana tokoa satria mampiseho an'i Beyoncé anaty voninkazo sy misarona voaly. Foto-kevitra roa lehibe tohanan'ny Amerikana amin'izao fotoana izao izay mampiseho ny fanoherany an'i Trump filoha amerikana. Natiora na fiarovana ny tontolo iainana, sy ny fahasamihafana marihin'ny voalin'ny vehivavy.

Nisy avy hatrany kosa anefa ireo nananihany ity paozin'i Beyoncé naka sary ity :-)