Lasa namonjy ny habakabaka koa i Al Jarreau.

Raha nanao fanambarana izy tamin'ny herinandro lasa teo fa hajanona avokoa ny fampisehoana kasainy amin'ity taona 2017 ity noho ny toe-pahasalamany niharatsy dia indrisy fa nodimandry io alahady maraina io tao Los Angelès i Al Jarreau, na i Alwyn Lopez Jarreau.

Tanatin'ny 50 taona niainany ny mozika dia impito izy no nandrombaka ny loka "Grammy Award", ary izy irery no artista nisalotra io anaram-boninahitra io tamin'ny karazan-gadona telo samihafa : jazz, RnB ary Soul. 76 taona izy izao lasa izao, lasa namela mamy ka tsy ho hadino mandrakizay.