Robin Hood, hotely fisakafoanana manombina amin’ny mpanana mba ho an’ny mahantra.

Ao Madrid (Espagne) no misy ity hotely fisakafoanana ity izay mivoha ho an’ny sarababembahoaka rehefa maraina sy antoandro, amin’ny vidin’ny kafé na sakafo antoandro mitovy amin’ny rehetra, na eo aza ny ambony ampanga kely izay tsy ren’ireto mpanjifa efa mahazatra akory. Fa rehefa tonga kosa ny hariva dia misokatra ho an’ireo niangaran’ny vintana ka tsy manan-kialofana sy tsy manana arapaka fotsiny izy. Miisa zato eo ho eo izy ireo izay nozaraina ho vondrona roa mifandimby miditra mihinana tsy mandoa vola, mazava ho azy.

Tsy mangalatra amin’ny mpanana hamelomana ny mahantra no tanjona fa mizara tsy miangatra”, hoy i Angel García Rodríguez, ilay pretra niketrika ity hetsika ity, ary efa hain’ny olona ihany amin’ny heviny tia fandrosoana. I Robin Hood izay naka ny ambim-bava tamin’ny mpanana mba ho an’ny mahantra sy i Papa Fransoà izay mamerimberina hatrany fa mila omena fiainana mendrika ny mahantra no nahatonga ny aingam-panahiny. "Noezahana hiova kely amin’ny lasopy fizara ho an’ny mahantra ilay hevitra, hoy ihany izy, fa mba omena fahafahana manandrana izany mihinana amin’ny vilia bakoly sy misotro amin'ny vera kristaly izany izy ireo." 

Ny Fikambanana Mensajeros de la Paz no miaraka manatontosa ity hetsika ity miaraka aminy.

 

Tsetsatsetsa tsy aritra ihany hoe mampahatsiahy ilay hiran'i Frank Baier izy ity, hira niarahany tamin'i Tsilavina Ralaindimby sy Tselonina, "Die Liebe, der Mensch, die Revolution", nalaza tany Madagasikara tamin'ny taona 80 :

"Fanafahana mandrombaka ireo ambim-bavany amin'ireo sesika, voky : Fitiavana izay.
Fitiavana handresena ny mosary, hamelomana ny miaina : Fanafahana izay.
Tsotra ihany : soratana, hiraina, dia atao"