Saika diso adiresy ny sary vongana "Oscar" teo amin'ny sokajy "Sarimihetsika tsara indrindra"

 

Ity vao tonga amin'ilay fitenin'ny tanora hoe "disodiso tsy mahamôro". Tena nifandiso tokoa ny valopy tamin'ny lanonana lehibe fizarana ny "Oscar ho an'ny sarimihetsika"  omaly tao Los Angeles.

Raha samy mbola somebiseby ny rehetra niandry izay holazain'i Warren Beaty hoe iza no handray ny loka eo amin'ny sokajy "Sarimihetsika tsara indrindra", Moonlight, sa La La Land, sa Lion sa Fences dia nomeny an'i Faye Dunaway ny valopy ka tsy nisalasala i Faye nilaza fa ny horonantsary La La Land  no nandresy.

Avy dia niakatra an-tsehatra ny tompon'andraikitra nandamina ny fifandisoana. Sadaikatra ireo notendrena hiantso sy hanolotra ny valisoa, niato tamin'ny horakoram-pifaliana ireo mpankafy an'i La la land, satria dia i Moonlight no nandrombaka ity amboara ity.

Samy niala tsiny na ny tompon'andraikitra na izy mianadahy mpanolotra, Faye Dunaway sy Warren Beaty izay samy mpilalao sarimihetsika malaza. Tsy izy ireo no nandiso sanatria fa ireo izay nanome azy ireo ny valopy misy ny anarana. "Izany rahateo no nahatonga ahy niambatra, hoy i Warren, niezaka nanao mampihomehy aho teo am-pahitana izay voasoratra tao hoe 'Emma Stone - La La Land', hany ka nomeko an'i Faye ny valopy, izay tsy nihambahamba nilaza fa La La Land no nahazo ny loka". Ny valopy misy ny anaran'ny handray ny loka eo amin'ny sokajy "Vehivavy mahay milalao sarimihetsika", izay tsy iza fa i Emma Stone, no nomena azy ireo manko.

Na izany aza dia isan'ny sarimihetsika nahazo ilay Sary vongana "Oscar" 14 be izao i "La La Land".