Wrong Connection - Sarimihetsika malagasy sa amerikana

Efa elaela no nahenoana ny sarimihetsika Wrong Connection fa amin'izao dia navoakan'ny mpanatontosa azy tamin'ny Youtube izy ary azon'ny rehetra jerena. Nanao dingan-dava amin'ny hakantony ity sarimihetsika anakiray Wrong Connection ity raha ny zava-bitany no jerena amin'ny maha sarimihetsika malagasy azy. Raha ny filazan'ireo izay nametraka hevitra tao amin'ny Youtube dia adino tanteraka ny tandrametaka amin'ny sarimihetsika malagasy sasany ary mitovy amin'ny sarimihetsika amerikana saingy Malagasy no mpanatontosa (Ando Raminoson) sy ny mpilalao maro (Gégé Rasamoely, Nirina, Vahombey sns) ary any Madagasikara no miseho ny tantara. Ahitana taratry ny toe-draharaha, politika, toekarena, sosialy any Madagasikara koa anefa ity sarimihetsika ity na dia somary manitatra kely ihany.

Tsy hotantaraina lava aminareo fa jereo avy hatrany