Toy izao ny fiaraha-monina tsisy raorao nefa dia avadiky ny sasany ho resabe politika.

 

Efa elaela ihany ity sary ity no nalain'ny mpianatra iray avy any Guinée monina ao New York, fony nafana dia nafana ny fampielezan-kevitra tamin'ny fifidianana filoha amerikana : vehivavy silamo misarona "niqab" sy "drag queen" manao zipo fohy, miray toerana ao anaty fiarandalamby, samy tsy misy miasa saina amin'ny izay mipetraka eo ankilany. ( NB : tsy sarimbavy tanteraka akory ny drag queen fa miankanjo sy manao fihetsi-behivavy rehefa manao fampisehoana, na mihira na mandihy, sns.)

"Toy izao ny endriky ny Fahafahana, hoy ny teny nampiarahany tamin'ilay sary. Tsy manana olana amin'ny fahasamihafana izahay andriamatoa Filoha, ary manaiky ny falalahan'ny tsirairay amin'izay finoana tiany arahana. Voasoratra ao amin'ny Làlam-panorenana izany."

Niteraka resabe teo amin'ireo tambazotra sosialy ary ity sary ity ankehitriny, indrindra raha nisy ireo ankolafy nivoy azy tamin'ny endrika hafa, toy ireo mpandala ny mahazatra namadika azy hoe "Izao ny ampitso tadiavin'ny liberaly".

"Miezaka aho, hoy i Gilda Wabbit, ilay drag queen, mba tsy dia hiraharaha izay resaka ratsy atao momba io sary io. Tsy azoko odiana tsy hita fa misara-bazana ny firenena mandritra ity fifidianana ity ary mbola betsaka ny azo antenaina amin'ny ho avy. Tsy te hiteny ho an'ireo liberaly rehetra aho fa mba te hahita kosa amin'ny ho avy hoe tsy ho olana ho an'ny vehivavy mitafy am-pahamendrehana ny mipetraka  eo akaikin'ny "drag queen" eto New York. Tokony hanohina fo izany satria midika fa misy izaho sy izy. Ny falalahana maneho hoe ianao ianao ao anaty vahoaka marobe tsy mitovy aminao dia fahafahana mendrika antsika rehetra."