Labozia voalohany ho an'i Kalani sy Jarani, kambana mirahavavy tsy mitovy fihodirana.

 

Tamin'ny 23 aprily lasa teo no nitsoka ny laboziany voalohany i Kalani sy Jarani, kambana mirahavavy fa tsy mitovy fihodirana mipetraka any Illinois (USA). I Kalani dia manga maso sy fotsy fihodirana toa an'i neny Whitney Meyer ary i Jarani kosa dia zarazara toa an'i dada Tomas Dean. Na ny toetra aza dia mifanipaka mihitsy izy mirahavavy, hoy ny reniny, fa i Kalani dia maherihery setra, tsy mitombina mihitsy fa i Jarani kosa dia milamindamina sy tia mihinan-kanina.

Marina fa tsy voatery hitovy endrika ny kambana rehetra fa ny nampiavaka azy mirahavavy ireto dia ny fahasamihafan'ny fihodirana. Tranga tsy dia fahita firy izany, hoy ny manampahaizana, firy kanefa mety efa hisy matetika ankehitriny satria efa mitombo ny mpivady tsy mitovy fihaviana.

"Tsy hitanay ny fahasamihafanay ao an-trano, hoy ihany i Withney. Fitiavana ihany no manjaka ao ary tianay izay mahahafakely anay izay. Ny fahatongavan'izy mirahavavy rahateo dia hery lehibe manampy anay tamin'ny namoizanay an'i Pravyn."  Manana zoky roa lahy tokoa manko izy mirahavavy, i Palan, 8 taona sy i Pravyn izay namoy ny ainy tanaty dobo filomanosana, roa taona lasa izay, raha vao 2 taona monja.