Nalavon'ny hafainganam-pandehany ny tovovavy andrarezina amin'ny fitaingenana soavaly vý rosiana.

 

Tapitra teo ny tantaram-pitiavan'i Olga Pronina sy ny soavaly vý-ny. Olga, tovovavy rosiana fantatra amin'ny solon'anarana #monika9422 eo amin'ny tambazotra sosialy, havanana tokoa amin'ny fanaovana karazana tsingolobatita ambony soavaly vý. Rehefa miridana 250km isan'ora izy dia tsy hay intsony ny manavaka ny olombelona sy ny vý fa toa lasitra iray ihany. Saingy namadika azy ireo ny làlana tamin'ity indray mitoraka ity ka tsy voafehiny intsony ilay soavaly vý  raha sendra fiolanana, ary dia nifatratra tany amin'ny sisin-dalana tany Vladivostok izy ireo omaly.

Fantatr'i Olga tsara ny loza atrehany amin'ity taranja iray ity saingy tsy voafehiny ny fiakatry ny adrenalina eo am-pitaingenana ilay soavaly vý. Tiako izy fa mamela hatrany hadalako, hoy i Olgra Pronin, ary isaorako azy tsy ny namelany ahy ho irery ary, namako hatrany izy tamin'ireo andro sy alina naha irery ahy, nanampy ahy nanadinoako ny olam-piainako, nanazatra ny vatako sy ny ati-dohako... Isaorako izy nanome ahy fahafahana, ary haiko fa tsy irery aho. Misy olona an'arivony mitovy amiko, adalam-pitiavana ny soavaly vý-ny.