Nirehitra ny Torch Tower, isan'ny trano avo indrindra ao Dubai.

 

I Torch Tower dia isan'ny trano mijoalajoala avo indrindra ao Dubai : 337 metatra ny haavony ary misy rihana 79. Nirehitra izy alina (alakamisy hifoha zoma zao). Tsy nisy aina nafoy na ny naratra tamin'izany, soa ihany, satria haingam-piasa ny mpamonjy aina. Tao amin'ny rihana faha-63 no niandohan'ny afo, hoy ny tompon'andraikitra. Marihina fa efa may, ary tsy namoizana aina ihany koa izy tamin'ny taona 2015.