Nandà ny hiray fasana amin'ny Mpankajakavavin'i Danimarka i Printsy Henrik vadiny.

 

Nanao fanambarana ny Printsy Henrik an'i Danimarka fa raha tonga ny andro hahafatesany dia tsy any amin'ny fasana hisy ny Mpanjakavavy Margrethe II no hanitrihana azy. Raha ny fomba dia miaraka milevina ao amin'ny Katedralin'i Roskilde izy ireo, toy ny Mpanjakan'i Danimarka rehetra nifandimby.

Ny anton'izao fandavan'ny Printsy izao dia noho izy tsy nampitoviana lenta tamin'ny Mpanjakavavy hatramizay, tsy nomena ny laharam-boninahitra ho Mpanjaka fa nijanona Printsy, ary tsy mba nomena ny adidy mendrika ny maha-vadin'ny Mpanjakavavy azy. Izy rahateo moa toa tsy mba nahazo ny fon'ny vahoaka danezy.

Marihina fa frantsay i Henri de Laborde de Montpezat, ary fony izy niasa tao amin'ny masoivoho frantsay tao Londres no nifankahalalan'izy sy ny Printsessa Margrethe tamin'izany ary ny volana jiona 1967 izy no nampakatra azy ho vady ary nitondra ny anaram-boninahitra Printsy Henrik an'i Danimarka.

Toy izao kosa ny vata noeritreretin'ny Mpanjakavavy Margrethe II hasiana azy mivady rahatrizay, ary i Bjorn Noorgard, artista danezy, no nanamboatra azy.