'Mission impossible 6' saika nety. Diso kajy kely i Tom Cruise.

 

Na dia fanta-daza fa isan'ny havanana amin'ny fanodinana sarimihetsika mahavalalanina aza i Tom Cruise, ary na dia efa tanatin'ny herintaona aza no niomanany tamin'ity anjarany amin'ny "Mission impossible 6"  ity dia mbola sendra ny tampoka tsy naha-matihanina azy ihany izy arak'ity horonantsary ity.

Tsy nanamafy ny toe-pahasalamany aloha ny Paramount hatreto fa toa hoe tsy dia ratsy loatra na izany aza.