​Fiantsonan-dalambý manaraka : ao am-baravaran-trano.

 

Tsy vazivazy fa tena izy. Noho ny tsy fahampian'ny toerana hahafahana manamboatra lalambý any Chongqing​, tanàna any atsimo-andrefan'i Chine dia nampandalovina ao amina tranoavo ilay izy.

Anivon-tendrombohitra no misy an'i Chongqing izay faritra isan'ny be mponina any Chine. Tsy mitsaha-mitombo rahateo ny mponina ao aminy ka mahatonga ny fitateram-bahoaka ho tena iankinan'ny ain-dehiben'ilay tanàna. Kanefa dia manano-sarotra ny tetikasa fampitaovana lalambý ao nohon'ny soridrefitan'io toerana io.

Nanoloana ny olana hoe mila mamaky tendrombohitra sa handrava trano efa miorina dia ny fampandalovana ilay fiarandalamby ao anaty tranoavo no marimaritra iraisana noraisin'ny tompon'andraikitra tamin'ny taona 2004.

Avy hatrany angamba dia ny tabataban'ny fiarandalambý an-tanàn-dehibe - ny "métro" - no tonga an-tsaintsika. Kanefa irony fiara tsy mampiasa kodiarana roa fa misosa amin'ny lalambý tokana irony no miasa eto - ny "monorail" - hany ka mila tsy ho re tsaika. Ilay trano lehibe kosa dia novolena irony rindrina mampihena ny fandrenesana tabataba irony. Toy ny maheno milina fanasan-damba fotsiny, hoy ny mponina, ny maheno ny fandalovany.

Tsy araky ny niheverana azy rahateo hoe mety hampihena ny vidin'ny trano amin'ity tranoavo ity izany fa mainka aza nampitombo ny sandany satria tombontsoa tokoa ho an-drizareo ny manana fiantsonan-dalamby eo am-poto-trano.