Abby sy Isabelle, kambana mirahavavy nitambatra ary nosarahana 12 taona lasa izay.

12 taona lasa izay no nanasarahana an'i Abbigail sy Isabelle, kambana mirahavavy nitambatra teo tamin'ny tratrany. Mbola mahatsiaro ny tebitebiny sy ny fahasahiranan-tsainy tamin'izany fotoana izany i Amy sy Jesse Carlsen ray aman-dreniny. Na dia teo aza ny hafaliana tamin'ny fahatongavan'izy mirahavavy - izay efa fantatra hatrany am-bohoka fa kambana mifamatotra - dia tena nisalasala mihitsy izy mivady amin'izay ho fandidiana hanasarahana azy kambana araka ny fikasan'ireo mpitsabo satria ny fon'i Isabelle dia tao anaty tratran'i Abby ary nisy ihany koa ny taova niraisan'izy roa. 

Rehefa feno enim-bolana anefa izy mirahavavy dia nanaiky ny torohevitr'ireo mpitsabo hiroso ihany izy mivady. Nahomby ny fandidiana izay naharitra 17 ora kanefa roa herinandro ihany no nijanonana teny amin'ny hopitaly dia afaka nody izy ireo.

Efa tovovavy roa samy manana ny maha-izy azy ry kambana ankehitriny na dia tsy misaraka amin'izay ataony sy alehany aza. "Rehefa mijery fitaratra izahay dia manontany tena hoe ahoana no tsy hahaizan'ny olona manasaraka anay", hoy i Abby.