Fitiavana nanomboka teny amin'ny garabola ka hatreny ambony alitara.

 

Tsy angano fa tena misy, ary aty amin'ny taona roa arivo, ny tantaran'i Laura Scheel, zaza indianina natsangana sy Matt Grodsky, amerikana, monina ao Arizona (USA).

Iray kilasy tany amin'ny garabola no nifankahalalan' izy roa voalohany araka ny tantara nampitain'i Matt tao amin'ny vondrona iray, "Thewaywemet", ao amin'ny tambazotra sosialy Instagram, ary tamin'izany izy no efa namboraka tamin'i Laura ny fitiavany sy nanao voady taminy fa hanambady azy any aoriana any.

"Betsaka ny lalao nampianarin'i Laura ahy, betsaka ny fahatsiarovana mamy tamin'ny fahazazanay, hoy i Matt. Tena tiako izy tamin'izany, ary tena mbola tiako hatramizao."

 

 

Tsy maintsy nisampana anefa ny làlan'izy ireo rehefa vita ny sekoly fanabeazana fototra. Ireo sary misy firariantsoa nifandefasan'ny fianakaviana isaky ny faran'ny taona sisa no mba hany nifankahitan'izy ireo tava nandritra ny 7 taona, mandra-pifankahitan'izy ireo indray teny amin'ny sekoly ambaratonga faharoa tamin'ny alalan'ny namana iombonana.

Roa herinandro taorian'izay dia nifamofo izy roa. "Samy nanohy ny ambaratonga faharoa izahay na dia tsy niray toeram-pianarana aza. Nifanalavitra mihitsy aza nony samy teny amin'ny anjerimanontolo ka voatery nanao kilaometatra maromaro rehefa hifankahita mandrapahatongan'ny 23 mey 2015 izay nandraisan'i Matt ny fanapahan-kevitra hanatanteraka ny fampanantenana nataony tamin'i Laura fony fahazaza ka tao amin'efitrano fianaran'izy ireo fony garabola no nanaovany ny fangatahany hampakatra azy ho vady.