Rotsak'ovy sy karoty ho sakafon'ireo biby tsy matin'ny afo ao Aostralia.

Biby an-tapitrisa maro no namoy ny ainy tamin'ilay doro-tanety goavana tao Aostralia nanomboka tamin'ny volana septambra 2019.

Azo lazaina fa efa voafehy ny afo ankehitriny, hoy ny tompon'andraikitra, ka ho fanavotana ireo biby mbola velon'aina dia nanomboka ny "Operation Rock Wallaby" ny fitondrana ao New South Wales ao Aostralia, satria tsy ny fonenany fotsiny no may fa foto-tsakafon'izy ireo koa.

Ka mba tsy hahafatin'ny hanoanana ireo biby tavela, toy ny kangourou, ny koala, ny wallaby sy ny sisa, izay biby efa mitady ho lany tamingana ny ankamaroany  dia legioma, indrindra ny karoty sy ny ovy, amin'ny taonina no narotsaka avy teny ambony angidimbý tamin'ireo valanjavaboahary 5 lehibe kila sy may.

"Mandra-piverin'ny zava-maniry sy rano ara-dàlana taorian'ny doro-ala, hoy ny ministra Matt Kean, dia mitohy hatrany ny famatsiana sakafo azy ireo."

 

 

Operation Rock Wallaby ????- #NPWS staff today dropped thousands of kgs of food (Mostly sweet potato and carrots) for our Brush-tailed Rock-wallaby colonies across NSW ???????? #bushfires pic.twitter.com/ZBN0MSLZei

— Matt Kean MP (@Matt_KeanMP) 11 janvier 2020

 

Rondro Volantsoa