Feon-kira amin'ny arabe any Japon.

 

Misy làlam-pirenena vitsivitsy any Japon (any Okinawa ohatra, na Tottori, Shizuoka, Hiroshima,..) manome feon-kira rehefa misosa eo amboniny ny fiara. 

Amin'ny alalan'ny tsipitsipika maro nolavahana amin'ny arabe sy amin'ny fihovitry ny fiara mandeha eo amboniny no mahatonga ilay feo. Satria miverina amin'ny vatan'ny fiara ilay mihovitra ka zary mampanako azy. Mila mandeha mora anefa ary tsara kokoa raha hidiana avokoa ny fitaratra mba tsy hampivoaka ny fanakon'ilay fihovirana. 40 km isan'ora no hafainganam-pandeha mety indrindra satria raha ambany na ambonin'izay dia mampihena na manafaingana ny feon'ilay hira.

Sahala amin' ireo tsipika marokoroko sy maneno manaitra ny mpamily any amin'ny tany tandrefana, dia toy izany koa ny asan'ny feon-kira amin'ny arabe any Japon.

Toy ny làlana rehetra dia misy sary kely fampilazana mialoha amin'ny sisin-dàlana na ambony arabe.

 
Rondro Volantsoa