Tsy atao ambanin-javatra ny fikolokoloana ny tena sy ny manodidina mandritra izao fotoana fihibohana izao.

Sary iray mampihetsi-po, amin'izao fotoana fihibohana ho fiadiana amin'ny valan'aretina CoViD-19 izao.

I Yael Shapira Avraham, israelita, no nizara ity sarin'ny raibeny ity, 92 taona, somokotra mafy mikarakara an-dramatoa vadiny satria tsy afaka hivoaka handoko volo any ivelany izy.
Ny mijanona ao an-trano tokoa dia araraotina hikolokoloana ny tena sy ny olon-tiana manodidina ny tena.

 

Rondro Volantsoa