#womensupportingwomen : inona marina no voizina amin'ilay fizarana sary mainty sy fotsy ?


Andro vitsivitsy izay dia nahazo vahana any amin'ny tambazotra sosialy Instagram sy Facebook ny fizarana sary "mainty sy fotsy" miaraka amin'ireo tenifototra #womensupportingwomen sy #womenempoweringwomen. Na andriambavilanitra tsotra na ireo fanta-daza eran-tany (mpihira, mpilalao sarimihetsika, mpanao gazety, mpanao politika, sns) dia samy nitondra ny anjara birikiny avokoa ary anisan'izay isika Malagasy. 

Fa mba haintsika vehivavy ve hoe inona marina no voizina amin'ity hetsika ity ? Sao variana mizara sary mahafinaritra isika ka manadino na tsy mahalala ny tanjona.
Misimisy ihany ny fanazavana momba azy fa ny mitombina dia hetsika niainga avy any Turquie izy, taorian'ny namonoan'ny olon-tiany tamin'ny fomba feno habibiana an'i Pinar Gültekin, 27 taona, mpianatra eny amin'ny anjerimanontolo. Avo dia avo ny tahan'ny herisetra amin'ny vehivavy any Turquie kanefa ny fitondram-panjakana any an-toerana dia mitady hisintaka amin'ny "Fifaneken'i Istanbul", izay fifanarahana iraisan'ny firenena eoropeana ho fisorohana sy hiadiana amin'ny herisetra mianjady amin'ny vehivavy sy ao an-tokantrano.
Teo no nanomboka ity hetsika ity ho firaisankina amin'ireo vehivavy any Turquie izay maneho ny hatezerany amin'ny fitondram-panjakana.

"Eny, ny sarinao mainty sy fotsy tsara tarehy dia natao hankaherezana, hamporisihana ny vehivavy hafa izay toy ny rahavavinao, satria betsaka ny lehilahy tsy manisy lanja sy maniratsira ny hasarobidintsika", hoy i Zeycan Rochelle, izay mpiketrika izao hetsika izao ao amin'ny tambazotra Instagram.

 

Rondro Volantsoa