İhsan sy Mümtaz, 70 taona niarahana tamin'ny fiainana sy teny am-pijerena kitra.

Mpanohana tsisy fepetra ny Fenerbahçe SK, iray amin'ireo ekipa nalaza indrindra ao Istanbul, i İhsan sy Mümtaz ary tsy mbola nisy lalao tsy natrehan’izy mivady rehefa milalao ao amin’ny kianjan’i  Şükr ü Saraço ğlu ireo zandry sy tanora manga-mavo.  Ny laharantseza faha-16, ary ny seza 32 sy 33 hatrany no fipetrahan’izy ireo.  Efa manana ny anjara toerany eo amin’ny klioba sy ny mpitia kitra mihitsy izy roa ka tsy mba nisy nikitika ireo seza roa ireo fa efa voatokana ho azy mivady.

Tady vita fato-maty tokoa n'i İhsan sy Mümtaz. Eny, indrisy hatramin'ny taona 2016, raha nodimandry i Mümtaz tamin’ny faha- 88 taonany. Kanefa na tsy teo intsony aza izy dia tsy nanapaka ny fijerena kitra teny an-kianja i İhsan ho fanohizana ny fomba amam-panao namehy azy roa. Teo foana izy, na dia efa niha-nahia sy nalahelohelo endrika aza.

Tamin’ny fiandohan'ny volana desambra 2020 teo dia lasa namonjy an’i Mümtaz any amin’ny tontolo efa nialohany làlana koa i İhsan.

Mba hanomezam-boninahitra sy ho fahatsiarovana azy mivady dia nanapa-kevitra ny klioba fa  hametraka ny sarin'izy mivady vaventy be amin'ireo seza roa izay fanatrehany ireo lalao. Miray toerana toy ny hatrizay sy ho mandrakizay. Ary ireo toerana roa ireo dia tsy hipetrahan'ny olona intsony.

“ Hiaraka aminay ianareo amin'ny lalao rehetra, hoy ny klioba.  Ao am-ponay ianareao, tsy hanadino anareo izahay."

 

 

 

Rondro Volantsoa