Tsiaron'ireo zatovo nanao Fanompoam-pirenena Ivelan'ny Tafika tamin'ny taona 80'

Nanomboka tamin'ny taona 1979 tokoa manko, nandritra ny Revolisiona Sosialista tamin'ny fitondran'i Amiraly Didier Ratsiraka, dia tsy maintsy nanao ny Fanompoam-pirenena ivelan'ny Tafika avokoa ireo tanora lahy sy vavy nahavita ny sekoly ambaratonga faharoa ka nahazo ny diplôma "baccalauréat", izay vao afaka niditra teny amin'ny anjerimanontolo. Izay ilay Service National Hors Forces Armées Populaires na SNHFAP ka notsorina fotsiny tamin'ny hoe "nanao SN".

Naharitra 9 volana io fanompoana ny firenena io, nanofanana ny tanora amin'ny fiarovana ny tanindrazana sy hanefa ny adidiny amin'ny fiarahamonina amin'ny maha-olom-pirenena feno taona azy. Fanamiana lobaka volontany tanora sy ambaniny maitso no nisalorana : pataloha salopety lava sy pataloha fohy ho an'ny lahy ary pataloha salopety lava sy zipo kilaoty ho an'ny vavy.

Ny telo volana voalohany dia fiofanana ara-miaramila. "Soldat Auxilliaire de 2ème classe" (SA2) ny gradin'izy ireo. Narahana an-tsakany sy an-davany avokoa ny lalàna rehetra mifehy ny fiainana miaramila, nianarana ary natao hay tsianjery satria nadinina foana ny fitsipika mifehy ny miaramila (Réglement militaire), nafotaka ny fanatanjahantena, ny sazy mihatra isaky ny manao zavatra tsy mety (tara na tsy mahay lesona na mandika lalàna), nianarana ny nitana basy, ny nitifitra - izay somary nanahirana kokoa fa nisy mihitsy aza ny torana teo amin'ny fotoana nipoahan'ny basy.

Tapitra ny 3 volana dia naseho tambany faneva ireo tanora ireo ary nomena ny tso-drano hiparitaka eran'ny nosy hampianatra any amin'ny sekolim-panjakana, na eo an-toerana na any amin'ny tany lavitr'andriana any, hizara izay fahalalana  norantoviny teny ambony dabilion-tsekoly sy hiady amin'ny tsy fahaizan-taratasy ihany koa, na hiasa any amin'ny biraom-panjakana, sy ny sisa. Hanompo firenena, handray anjara amin'ny fampandrosoana ny firenena amin'ny lafiny rehetra mandritra ny enim-bolana ka rehefa vita izay dia mahazo taratasy fanamarinana ny nahatontosana izany vao afaka manohy ny fianarana eny amin'ny sekoly ambony.

Nanana tombotsoa toy ny miaramila rehetra ihany koa anefa izy ireo : mahazo fihenam-bidy raha haka fitateram-bahoaka, tsy milahatra rehefa misy atao raha toa ka manao fanamiana (tamin'izany moa dia nilaharana daholo na vary na menaka na savony, sns).

Tamin'ny fiandohan'ny taona 90' no nofoanana ity fanompoam-pirenena ity. Maro ny faly satria noheverina ho fandaniam-potoana sy fandaniam-bolam-panjakana ihany izany saingy ankehitriny kosa dia miaraka manaiky ireo andiany rehetra nifandimby teo nandritra ny 10 taona mahery fa nitondra voka-tsoa ho azy ireo ny "nanaovana SN".

Tsy hadinon'izy ireo tokoa manko ireo fitsipika henjana nitaizana azy ireo teny amin'ireo toby miaramila niofanana, ka nampianatra azy ireo hanara-dalàna, hampihatra lalàna ary hanao zavatra tsara hatrany. Tao koa ireo sedra sesehena nandritra ny fotoana niasana teny amin'ny fiarahamonina isan'andro, indrindra ireo voatendry hiasa amin'ny toerana lavitra. Tao ny dian-tongotra an-kilaometatra maro, nitety havoana, lohasaha, nita rano tanaty hain'andro, orana, hatsiaka. Ny karama noraisina dia kely tokoa ka tsy nahasehaka izany matetika nefa dia vita ihany fa nahay niafy, nahay nikarataka nitady vaha-olana, nahay nifanampy, nahay nifanaja, nahay nifampitsinjo ary tsy mba nihemotra sy nifararemotra izany satria Miaramila.

Marihina fa ireo izay nahavita io Fanompoam-pirenena ivelan'ny Tafika io dia misitraka tokoa ny tombotsoany amin'ny maha-mpiasa-panjakana azy ka tena afaka mangataka izany ankehitriny (fisondrotana grady, fisotroan-dronono, sns).

Efapolo taona atý aoriana, nisy vitsivitsy tamin'izy ireo nanana tsirin-kevitra ao amin'ny tambazotra sosialy "facebook" ka nifanaraka hoe andao hitambatra anaty vondrona : "ankoatra ny fahatsiarovana ny hatanorana, dia hifanakalo hevitra sy hanao tombana ny fiainana SN isika : inona no tsara, inona no tsy nety, inona no lesona azo tsoahina indrindra ho an'ireo zandry ankehitriny sy ny mbola ho avy na koa ireo mpanabe ny tanora", hoy izy ireo.

Tsy andro tsy alina fa dia ao anaty vondrona ao ireo zatovo tamin'izany andro izany - efa samy amin'ny fiainany avy ankehitriny - mikorana, faly mifankahita amin'ny namana mpiray andiany fahizany izay efa ela tsy hita. Ary nandritra izany no teraka indray ny hevitra hoe andao hihaona mivantana.

Koa dia tinapaka ary fa hisy fihaonan'ireo Tapany Maitso ao amin'ny lycée Andohalo amin'ny sabotsy 19 martsa ho avy izao. Azo an-tsaina fa ny masoandro maty no hampalahelo amin'izay fotoana izay.

Raha mba isan'ireo zatovo ireo ianao dia aza misalasala mangataka amin'ny mpiandraikitra hiditra ao amin'ny vondrona : Tapany Maitso na SNHFAP (ilay lokon'ny fanamiana no nahatonga ity anaran'ny vondrona ity).