Ny 'Maison de Madagascar' any Athènes, renivohitr'i Grèce.

Nanaraoratra ny fandalovana nandritra  ny andro vitsivitsy tao Athènes, renivohitr’i Grèce izahay dia mba nandalo, nitsidika ny “Maison de Madagascar”, izay azo lazaina efa matihanina amin’ny fanapariahana ny asa-tànana malagasy, indrindra ny vita amin’ny rofia, any amin’iny faritr’i Eoropa atsimo iny.

Ny taona 2000 no nanombohan’i Ikiady sy Dany ity asa fandraharahana ity : sady asa fivelomana hoy izy ireo no fanampiana ihany koa ny any Madagasikara, satria tsy nianona fotsiny tamin’ny fandefasana entana mankany fa mba manondrana mankatý ihany koa. Niainga tamin’ny tsena kely tsotsotra izy ireo tamin’izany ary maro tokoa ny sedra nolalovana kanefa tsy natao nahakivy.

Efa feno roapolo taona mahery izao ny “Maison de Madagascar”, izay miezaka tokoa hampamiratra ny vita malagasy sy i Madagasikara ao an-drenivohitr’i Grèce, izay firenena niandohan’ny sivilizasiona tandrefana. Efa nivoatra ihany tokoa izy tanaty 20 taona satria efa manondrana ambongadiny ihany koa ankehitriny, tsy ao Grèce fotsiny fa hatrany  Espagne, Allemagne, Chili, Etazonia.

Maro ny mpanao asa-tànana any Madagasikara no mahazo asa araka izany, ka mba hahamora ny fanaraha-maso ny asa sy fanambarana izany amin’ny toerana iray dia nanangana “atelier” mihitsy izy ireo eny Ambohitramanjaka ary dia tsy maintsy mankany an-tanindrazana indroa isan-taona izy ireo mijery akaiky ny fizotran’ny asa sy maka ireo entana.

Tena misokatra amin’ny fiaraha-miasa amin’ny Malagasy eran-tany tokoa ny “Maison de Madagascar”, hoy izy mivady, satria sady manokatra làlana ho an’ny vokatra malagasy eo amin’ny tsena iraisam-pirenena izany no fifanampiana amin’ny samy malagasy ihany koa.

Tsy voatery hifamingana foana tokoa isika zanaki Madagasikara atý am-pielezana, tsy voatery hanao ory hava-manana fa afaka mifanome tànana tsara ary izany dia efa anjara biriky entintsika hampandrosoana ny firenena.

Mirary soa betsaka ho an’ny Maison de Madagascar : efa tsara ny dingana vita tanatin’ny 20 taona, mba ho Fandresena kosa ny 20 taona manaraka, sy ny taona ho avy maro be.

#Alefaaaaaa

 

Rondro Volantsoa