Ny hevitra fonosin'i 'Hallelujah', hiran'i Leonard Cohen

 

Andao apetrantsika eto aloha ny tantaran'i "Hallelujah" androany dia mba tsy misy mifanararaotra amin'izay fa lasa resabe izy ity taorian'ny nandrombahan'i #Anisha ny amboara tamin'ny #StarAcademy2022, satria isan'ny hira nataony tamin'ny dingana farany nitondra azy tany amin'ny fandresena.

Tamin'ny taona 1980 dia nandalo fotoan-tsarotra teo amin'ny lafiny artistika i Leonard Cohen ka tanatin'izany fahorian-tsainy izany no nanoratany an'i Hallelujah.

"Nahafeno bokikely fandraisana an-tsoratra roa aho tamin'izany hoy izy. Tsaroako tsara, tsy nanao afa-tsy atin'akanjo kely aho, nipetraka tamin'ny tany tanaty efitranoko tao amin'ny hotely iray tao New York ary nakapokapoka tamin'ny tany ny lohako satria tsy nety vitako ilay hira."

Nahasoratra andininy efa ho 80 izy fa tsy nety afa-po mihitsy. Efa ny taona 1984 vao vitany ilay izy ka nivonona niroso tamin'ny fandraisam-peo ny rakikirany tamin'izay. Saingy tsy nahafapo ny trano mpamokatra kapila kosa i Hallelujah.

I John Cale, mpikambana tao amin'ny tarika mivohy ny ngadona rock, Velvet Underground, sendra nanatrika ny fampisehoana nataon'i Leonard Cohen no babon'ilay hira indray andro, na dia lavabe sy nahamonamoinana aza no nanaovan'i Cohen azy tamin'izay satria novaovainy matetika ny andininy nampiasainy rehefa eny an-tsehatra izy.

Nangatahan' Cale ny tonony rehetra. Tononkira 15 pejy no nalefan'i Leonard Cohen taminy. Ary dia i Cale no nitsimpona ireo andininy hahalalantsika an'i Hallelujah ankehitriny. Izy koa no nampalaza ilay hira tamin'ny taona 1991 izay tsy mbola afaka am-bavan'ny rehetra atý amin'ny taona roa arivo.

Na toa mitory fiderana aza ny lohateniny dia tsy izay no votoatin-kevitr'ilay hira fa miresaka momba ny fahalemen'ny olombelona manoloana ny filan'ny nofo. Ireo andalan'ny Baiboly nampiasainy dia tsisy idiran'ny resaka fanahy akory fa fanandratana ny fitiavana ara-nofo.

Ao ohatra ilay andininy voalohany, miresaka an'i Davida Mpanjaka resim-pitiavana tamin'i Betsabe, vadin'ny miaramila mahatokiny.

"Now I’ve heard there was a secret chord
That David played, and it pleased the Lord
But you don’t really care for music, do you?
It goes like this
The fourth, the fifth
The minor fall, the major lift
The baffled king composing Hallelujah"

Ao koa i Samsona babon 'ny hatsaran-tarehin'i Dalila izay namadika azy nony namborahany ny tsiambaratelon'ny heriny :

"Your faith was strong but you needed proof
You saw her bathing on the roof
Her beauty and the moonlight overthrew you
She tied you
To a kitchen chair
She broke your throne, and she cut your hair
And from your lips she drew the Hallelujah"

Io andalana farany io aza : "ary avy amin'ny molotrao no nanoritany ny alleloia" dia fankalazana an-kolaka ny fahafinaretan'ny firaisana ara-nofo.

Sady tsy nanamafy no tsy nandà ny momba ireo rehetra ireo moa Leonard Cohen. ​Nanazava fotsiny izy fa "misy karazana​ alleloia​ samihafa tokoa, ary mitovy lanja na ​ilay alle​​loia tonga lafatra na ilay alleloia potipotika. Faniriana hanamafy ny fiainana izany, tsy amin'ny heviny ara-pivavahana mahazatra, hoy izy, fa miaraka amin'ny hafanam-po, miaraka amin'ny fihetseham-po. Fantatro fa misy maso mijery antsika rehetra. Misy fitsarana manombana izay rehetra ataontsika."

Taorian'i John Cale dia nihira azy ity koa i Jeff Buckley - mainka mampangoritsina ny nanaovany azy. Izy rahateo dia nanamafy fa “na iza na iza mihaino tsara an’i Hallelujah dia hahita fa ny firaisana ara-nofo, ny fitiavana, ny fiainana eto an-tany no fotokevitr'io hira io. Tsy fanomezam-boninahitra ny olona hajaina, na sampy na Andriamanitra, fa alleloia-n'ny fahafinaretan'ny nofo, izany hoe fanandratana ny fiainana sy ny fitiavana."

​Vavolombelon'ny maha-andrarezina an'i Leonard Cohen i "Hal​lelujah". Tsy ​noho izy isan'ny hira tena tsara​ fotsiny, fa ​maro ny sanganasany no toa izao : misafotofoto sy naverimberina nosoratana.

 

 

 

Rondro Volantsoa