Andro maneran-tany ho an'ny asa tanana

Nanomboka ny 10 jona
ka hifarana ny 12 Jona no ankalazana ny andro maneran-tany ho an'ny
asa tanana ka tany Ambositra no nanokafana tamin'ny fomba ofisialy ny
fankalazana  androany 11 Jona . 3 andro no faharetany.

Asa tanana sy tontolo iainana no
lohahevitra entina mankalaza izany amin'ity taona 2010 ity . Koa satria
ilaina ny fiaraha-miasa eo amin'ny sehatry ny tontolo iainana, ny asa
tanana sy ny
fizahan-tany dia ny hampiroboroboana an'ireo no hatao
vaindohan-draharaha hoy ny Minisitry ny asa tanana sy ny fizahantany
Irene Andreas Victoire. Ambositra moa dia ao anatin'ny faritra
Amoron'iMania ary tsy mbola manana ivo-toerana ho an'ny asa-tanana ka
atao ny hametrahana izany

Efa miharitra ny akora ka dia nisy koa ny
fandinihana ny hetahetan'ireo mpanao asa tanana ny mba hahazoan'izy ireo
maka ny ambin-kitay tamin'ireo hazo notapahana haondrana mba
hahafahan'izy ireo mitrandraka azy ireny.

Nivoitra
nandritra ny atrikasa natao ny hijerena ny tokony hamatsiana akora ireo
mpanao asa tanana ireo indrindra fa ny hazo sy ireo akora fototra hafa.

Nivoitra
koa ny fangatahana hametrahana sampan-draharaha isaky ny faritra
hisahana ny asa-tanana isak'ireny faritra ireny, sy tranoben'ny asa-tanana
hahafahana miantoka ny varotra atao.

Hialana amin'izay olan'ny
fahalanian'ny akora fototra izay dia miezaka mitady hazo hafa
ankoatry ny efa fampiasa izy ireo, ankoatry ny ezaka ataon'izy ireo
mamboly hazo
60% ny mponina ao  Ambositra (Amoron'imania) dia miaina
amin'ny fanaovana asa tanana. ary vola 11 tapitrisa Euros no vola niditra
tamin'ny alalan'ny asa tanana nandritra ny taona 2009 ho an'i
Madagasikara.