Atsinanana sy Analanjirofo : mirongatra ny aretina haromotana

 

Olona roa no efa  matin’ny aretina  hamorotan’alika  tany amin’ny distrikan’i Fenoarivo-Atsinanana Faritra Analanjirofo  ny herinandro lasa teo. Nahitana io tranga io koa ny tao Toamasina ka olona 2 koa no efa maty , ny iray tao amin’ny tanànan’i  Fanandrahana lalam-pirenena faha-2. Manoloana io firongatry ny  aretina haromotana azo avy amin’ny alika io, mandray andraikitra mafy ireo tompon’andraikitry ny fahasalaman’ny biby sy ny olona ao Toamasina hanao hetsika goavana iadiana amin’ity aretina ity.

Vakisiny
Manoloana ny ady atrehana amin’ny haromotana. Nahenan’ny fanjakana ny saran’ny vakisiny fanefitra ny haromotana ho an’ny alika. Ho an’ny ao Toamasina, nahenan’ny fanjakana ho 5.000 Ar izany amin’izao fotoana raha 15.000 Ar izany teo aloha.

Vonoina ireo alika mirenireny ao Toamasina
Aretina mora mifindra sy mamono malaky ny aretina haromotana. Manomboka ny talata 8 novambra, hisy ny hetsik a faobe ao Toamasina ho famonoana an’ireo alika mirenireny. Ao bazar kely sy Bazar be no hisantarana izany.

Nangonin’i Tamaga