Commune Toamasina : miha henjana ny toe-draharaha

 

Tsy mbola mivaha ny olana eo anivon’ny kaominina Toamasina renivohitra mahakasika indrindra ny fitokonan’ireo mpiasa ao aminy. Vao mainka hiha henjana tanteraka ny toe-draharaha. Tamin’iny herinandro lasa iny, nanamafy ny Filohan’ny Delegasionina manokan’ny Kaominina Toamasina, Rakotovao Mariot Jean Florent, fa horoahina ireo mpiasan’ny kaominina tsy manohy ny asany manomboka amin’ny alarobia 2 novambra. Ireo mpiasa anefa dia mbola nanamafy tamin’iny herinandro lasa iny fa tsy hijanona velively ny fitokonana raha tsy mbola esorin’ny Fanjakana foibe amin’ny toerany ingahy PDS Rakotovao Mariot Jean  Florent. Hihenjan-droa tanteraka ny tady eo amin’ny roa tonta amin’ity herinandro ity. I PDS hanaisotra ireo mpiasa mbola mitokona, ireo mpiasa hanaisotra ny PDS. Marihina fa mialohan’ny nanendrena azy ho PDS kaominina Toamasina, dia efa Minisitry ny tontolo iainana sy ny ala i Rakotovao Mariot Jean Florent.

Efa miroso amin’ny fanadihadiana ny Fanjakana foibe

Araka ny loharanom-baovao marim-pototra voaray, efa miroso amin’ny fanadihadiana lalina mahakasika ny vola niditra sy nivoaka tao amin’ny kaominina Toamasina ireo tompon’andraikitra avy ao amin’ny Ministeran’ny fanapariaham-pahefana izay ministera mpiahy ny kaominina rehetra eto Madagasikara. Ampangain’ireo avy ao amin’ny Filankevitra monisipaly (Conseil Municipal) Toamasina ho nanodinkodim-bola mantsy ingahy PDS ary ampiangain’izy ireo koa fa  nanao fandaniana tsy tokony atao toy ny fivoahana matetika any ivelany nefa tsy fantatra mazava ny tena anton-dia (La Réunion, Suisse, France, sns). Miandry io fanadihadiana atao ao amin’ny kaominina io ny rehetra.

Mitohy hatrany ny asa fanadiovana

 

    

Etsy ankilany, mitohy ny fandraisana andraikitra ataon’ny avy eo anivon’ny Faritra Atsinanana amin’ny fanadiovana ny tanànan’i Toamasina noho ireo fako mivangongo satria tsy misy mpiasan’ny kaominina miasa manaisotra ny fako noho io fitokonana faobe ataon-dry zareo io. Tanjona apetraky ny Faritra Atsinanana ny hiainan’ny vahoakan’i Toamasina ao anatin’ny fahadiovana. Misy ny tolo-tanana ataon’ireo mpandraharaha ara-toekarena amin’ny Faritra Atsinanana amin’ity fanadiovana faobe ny tanànan’i Toamasina ity. Mahatsapa mantsy izy ireo fa tsy hiandry olana ao amin’ny kaominina mivaha vao mandray andraikitra satria henatra lehibe ho an’ny tanànan’i Toamasina ny fahitana ireo loto mivangongo etsy sy eroa no sady ahiana hiteraka aretina raha tsy ilaza afa-tsy ny Pesta. Toamasina izay voasokajy ho renivohitra ara-koerana eto Madagasikara. Ny kaominina Toamasina tamin’ny andron’ny ben’ny tanàna teo aloha, Dr Rakotomanana Gervais, izay nametraka filamatra mazava fantatra tamin’ny hoe  3M: Toamasina madio, mazava, mandroso. Mandringa anefa izany ankehitriny.

 

Nangonin’i Tamaga