Dédesse, hampiasa ny mozika ho fitaovana entina manarina ny fiarahamonina. Efa vonona ny rakikira vaovao.

 

Rehefa olom-pirenena mahatsapa ny olana sedrain'ny tanindrazany dia tsy mahavita mijery fotsiny fa miezaka avy hatrany mandray izay andraikitra tandrify azy ho enti-manarina izany. Isan'izany ny zokibe eo amin'ny sehatry ny zava-kanto, i Dedesse, izay tonga miaraka amin'ny rakikira vaovao hivoaka atsy ho atsy, atý amin'ny faha-68 taonany.

Fitaovana azo ampisaina hanavotana ny vahoaka ny mozika, hoy izy. Ampisaina ny tanjaky ny zavakanto handazàna ireo tsy mety toy ny kolikoly sy ny fanaparam-pahefana. Ny artista dia afaka miaro sy misolo vava ny vahoaka tokoa ka mampita ny hafany any amin'ny Filoha amin'ny alalan'ny hirany. Demokrasia ihany koa izany. Tsy manakiana fotsiny anefa fa manolotra vaha-olana ihany koa.

Any avaratry  ny nosy any moa no onenan'i zokibe Dédesse ka ny fahitany ny fiainan'ny vahoakan'Antsiranana miaina anaty tsy fandriampahalemana sy ny fahantrana no nanosika azy handray andraikitra miaraka amin'ireo mpanankanto miray vondrona aminy ao amin'ny MLF - Malagasy Leo Fahantrana.

Ny hira iray amin'ireo enina atolony anatin'izany rakikira vaovao izany dia mitaky fanadiovana eo amin'ny seha-piarahamonina maro toy ny hopitaly, ny tribonaly, ny polisy sy zandary, ny fokontany sy ny ambaratongany rehetra. Mila fanavaozana, mila fandrosoana Antsiranana, hoy ihany izy, fa manimba ny hatsaran-tarehiny izany. Iray ny làlana mitondra amin'izany dia ny fanafoanana ny kolikoly

"Mila fanadiovana,
mila fiarovana.
Koa mila fandrosoana,
kolikoly tsy maintsy foagna.
"

Hainy fa tsy mora ny hiady amin'izany fa matoky ny herin'ny mozika izy anentanany ny vahoaka hahasahy hilaza izay tsy mety amin'ny fiainana andavanandro mba ho tonga any an-tsofin'ny mpitondra.

Tolona sy ezaka vao manomboka ny an'ireo mpanakanto mivondrona ao amin'ny MLF. Tsy mitsahatra mamorona sy manentana no tarigetra. Tsy azo atao ny miraviravy tanàna. 

Mba ho maro anie ireo mpanakanto tanora hanara-dia ny zokibe toa izao.

Am-piandrasana ny fivoahan'ny rakikira dia ankafizo aloha :  "Làlaña" : 

 

 

 

Rondro Volantsoa