Domoina Ratovozanany

Iza
moa i Domoina Ratovozanany ?

Teraka tamin’ny 2
oktobra 1985, Domoina Ratovozanany dia anisan’ireo poeta tanora malagasy tena
andrandraina ho lasa lavitra. Vao 12 taona izy no nanomboka nanoratra ary
manana tononkalo miisa 300 eo eo ankehitriny. Na dia mbola tsy namoaka boky
tokoa ary mantsy izy dia efa mihamanakoako eran-tany ny talentany.

In-5 voafidy poetin’ny fitiavana mahay indrindra
eran-tany

Tononkalom-pitiavana
amin’ny teny frantsay no tena soratan’i Domoina Ratovozanany. Hatramin’izao dia
izy irery no teratany malagasy manana asa soratra voafidy ho
« tononkalom-pitiavana tsara indrindra tao anatin’ny volana  » tao
amin’ny tranokala www.poesieetcitationsdamour.com,
ny tranokala frantsay lehibe indrindra mikasika ny tononkalo sy ohateny momba
ny fitiavana. Izy ihany koa no hany poeta eran-tany nandresy indimy
hatramin’izao. Ireto
avy ny tononkalony nahazo fankasitrahana : « toi » (jolay 2005),
« je t’aime » (jona 2005), « tu es mon homme » (aogositra
2006), « quand tu m’aimes »« tes yeux » (marsa 2010) et
(jona 2010).

Ny ankabetsahan’ny
tranokala poetika frantsay dia mizara avokoa ny tononkalom-pitiavan’i Domoina
Ratovozanany, ary blaogy aman-jatony avy amin’ny firenena eran’izao tontolo izao.
Adikan’ireo tia Internet amin’ny teny maro tokoa manko ny asa sorany, toy ny
teny anglisy, alemana, italiana, portugais, espaniola, japoney ary persa. Ary
ny mpitsidika ny blaoginy, http://domoina-poemesdamour.hautetfort.com,
nosokafana tamin’ny 2007, dia mitombo avo roa heny isam-bolana.

Amin’ny ivon-kolontsaina rehetra

Eto Madagascar dia tsy latsa-danja ihany koa ny
fahafantarana an’i Domoina Ratovozanany. Satria
izy nianatra serasera teny Ambohitsaina dia mpanao gazety no niandohany.
Zandriny indrindra izy tamin’izany kanefa dia nibata ny Loka voalohany amin’ny
fanadihadiana momba ny tontolo iainana tamin’ny 2006.

Voaray ho
mpikambana tao amin’ny Havatsa Upem izy ny taona 2007 ary mandray anjara
mavitrika amin'ny hetsika karakarain’ny Alliance Française de Tananarive sy ny
Centre Culturel Français (Printemps des poètes, ady hevitra momba ny zon’ny
mpanoratra, fiantsana tononkalo…).

Noho ny
fahavitsian’ny mpanoratra malagasy mampiasa ny teny frantsay dia nandika
maimaimpoana ny tonokalon’Ny Eja tamin’ny teny frantsay izy tamin’ny 2006, boky
izay nitondra ny lohateny hoe « Rêve inédit ».