Endrika vaovao, tanjona tsy miova

Inona daholo tokoa moa ny zavatra vaovao ato? Ny eo amin'ny endrika aloha dia nohavaozina ny Logo-n'ny radiovazogasy.com. I Hery no nanao ny Logo sy nanao ny endrika vaovao. Noezahina hifanaraka amin'ny filan'ny tontolon'ny web amin'izao fotoana izao.

Milina anaty

Ny milina manome tosika ity takelaka ity dia tsy inona fa ny Solaitra, fantatra amin'ny anarana hoe CI-CMS. Nohafainganina kokoa ary nohatsaraina ny firindrany.

Rehefa mitady hira ohatra dia malaky kokoa ary voafintina kokoa ny vokatra.

Novaina ihany koa ny momba ny fandaharana hira. Tsy miandry ela intsony rehefa mandahatra hira.