Fahagagana sy ny fahasitranana

Hita maniry etsy sy eroa ankehitrio eto Madagasikara  ny fiangonana milaza tena fa manao sy mahavita fahagagana : manasitrana, manala fahasahiranana sy ny sisa. Betsaka amintsika no mametraka fanontaniana matetika ny momba ny fahagagana miseho amin’ny olona mpino iray. Isan’ny fahagagana mateti-pitranga ny hoe sitrana tamin’ny aretina mpahazo saingy  tsy sitran’ny dokotera : fahagagana izany. Hiezaka hanazava ny saintsika momba izany « fahasitranana fahagagana » izany no anton’ity lahatsoratra ity. Tsoriko fa tsy misy manana traikefa matotra momba izany ankoatry ny fiangonana katolika hatreto. Marina fa mety tsy izy irery kanefa raha ny tantara no jerena dia tao amin’ny fiangonana katolika no nisy fisehoam-pahagagana betsaka indrindra. Na raha lazaina hafa dia tao amin’ny fiangonana katolika no nankalazaina bebe kokoa ny momba ity fahagagana ity. Tsy hiresaka ny hoe fahagagana nataon’i Masina Maria, na ny olo-masina tsirairay akory anefa isika, fa hamaritra amin’ny ankapobeny ny maha-fahagagana ny fahasitranana iray. Fahasitranana satria io aloha no tena maro sy mbola be mpitady. Ny fahagagana aloha amin’ny ankapobeny dia trangan-javatra mahatalanjona tsy hain’ny siansa hazavaina, miala amin’ny zavatra natoraly ka mitarika ny saina handinika ny sornatoraly sy hametraka fa misy « asan’Andriamanitra mivantana ». Misy dingana vitsivitsy arahina ao amin’ny fiangonana katolika vao azo ekena fa fahagagana avy amin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny olomasina iray ny zava-mitranga na ny fahasitranana iray. Ohatra amin’izany ny hoe : aretina mitarika amin’ny fahafatesana tsy misy fanafany ; aretina ara-batana azo tsapain-tanana sy hita maso (tsy voaraoka anatin’io ny aretin-tsaina : adalana) ; aretina tsy notsaboina taloha sy nandritra ny fahagagana ; aretina efa eken’ny manampahaizana efa ela ny fisiany ; aretina sitrana eo noho eo, amin’ny fotoana nangatahana azy ary fantatra noho ny fizahana fa tsy miverina amin’io olona io intsony ; tsy manjavozavo ny fahasitranana fa tena mazava ary tena hitan’ny be sy ny maro. Ireo fepetra vitsivitsy ireo dia manamarika fa tsy misy fahagagana azo foronina na hifanarahana amin’ny olona. Misy aza anie fahagagana tsy mila porofo akory satria hitan’ny olona rehetra ny fahasitranan’ilay marary avy hatrany. Mbola sarotra ary tena mbola anjoanjo kosa ny hilazana fa ny fahazoana harena, ny fahombiazana eo amin’ny asa atao sy ny fandresena teo amin’ny fiainana andavanandro dia fahagagana ihany koa. Azon’ny tsirairy atao anefa ny milaza izany ho fahagagana eo amin’ny fiainany saingy tsy manana fivelarana lehibe izany fa ho azy irery. Azony zaraina aman’olona izany ary azony tazomina ho azy irery. Kanefa ny tena fahagagana dia manova anao sy eken’ny fiaraha-monina. 

Azon’ny rehetra atao koa no mino fa ny olona lazaina fa maty kanefa velona indray dia fahagagana sy ny sisa. Tadidio anefa fa ny fahagagana dia tsy miseho matetika raha tsy izany dia tsy mahagaga intsony. Tahak’izany ny hoe ny fahatratraranao ny andro androany dia tsy fahagagana. Tsy fahagagana izany satria efa mpiseho isan’andro amin’ny olombelona rehetra. Fa raha ohatra ka hoe taitra ianao androany ka tonga dia teny amin’ny planeta marsa dia izay no fahagagana. Tsy fahagagana koa ny hoe afaka fanadinana ianao na dia tsy nahay n’inon’inona aza satria azo porofoina amin’ny taratasim-panadinana izany na amin’ny alalan’ny fahadisoan’ny mpitsara sy ny sisa. Tsy fahagagana koa ny hoe teraka satria samy efa nandalo teo daholo isika izao. Tsy fahagagana ny hoe miantona eny an’habakabaka eny ny kintana sy ny volana satria efa nasehon’ny siansa ny porofon’izany. Tsy fahagagana koa ny hoe misy « la neige » ohatra ao Antsirabe satria azo porofoina amin’ny famantarana ny toetr’andro izany. 

Maro ny mbola azo lazaina saingy te hanaitra ny saintsika fotsiny aho hoe : ireo fiangonana milaza fa mpanao fahagagana ireo dia mpamitaka ny sarambabem-bahoaka satria mitarika ny olona tsy handray an-tanana ny fiainany fa hiantehitra amin’ny fahagagana izay marihiko ihany fa tsy miseho matetika, ary tsy miseho amin’ny olona rehetra, ary tsy azon’ny saina sy ny siansa hazavaina mihintsy. Raha tsy izany tsy fahagagana fa zava-pitranga fotsiny.