Fahamendrehana - Madagascar Project : tafajoro ny Vata Vonjy Aina voalohany.

 

Tafajoro tamin'ny 11 oktobra 2018 lasa teo ny "Vata Vonjy Aina" voalohany, ilay tetikasan'ny Fikambanana "Fahamendrehana" - Madagascar Project entina hanoloran-tànana ireo olona sahirana isam-paritra.

Antalamohitra, fokontany iray ao amin'ny Firaisan' Antehiroka, Fivondronan'Ambohidratrimo, no nofidian'ny Fikambanana hametrahana ity Vata Vonjy Aina voalohany ity satria io no Firaisam-pokontany avy hatrany dia nandray azy ireo ary nanome alalana hanorenana izany. Anisan'ny Firaisana tsy dia lehibe loatra rahateo izy ka ​​manamora ny fametrahana ireo Vata mialoha ny hanitarana azy. Ny ezaka dia mba ho tafapetraka alohan'ny volana desambra ireo Vata Vonjy Aina 8 hafa satria ny faniriana dia mba afaka hiara-mifety amin'ireo fianakaviana sahirana amin'ny Noely. Antenaina rahateo fa hirindra tsara ny fanentanana amin'ny haino aman-jery ary ny gazety samihafa.​

Marihina anefa fa tsy hijanona eo amin'ny fananganana ireto Vata Vonjy Aina fotsiny ny Fikambanana fa eo ihany koa ny ezaka manaraka dia ny fandefasana mianatra ireo zaza madinika, fanofanana ireo tanora ary fanampiana ireo reny mananon-tena.

Isaorana eram-po eran-tsaina ireo malala-tànana efa nitondra ny anjara birikiny nahatontosana ity Vata Vonjy Aina voalohany ity. Raisina an-tànan-droa hatrany izay foin'ny tsirairay ho enti-manohy ny tetikasa.
Ny fandraisana anjara dia azonao arotsaka mivantana ato amin'ny tranonkalan'ny Fikambanana : Tsindrio Eto
Na mifandray mivantana ihany koa amin'ny tompon'andraikitra ao amin'ny pejy Facebook : Fahamendrehana - Madagascar Project

Dia onera be, hono tompoko, izay foinareo ho an'ireo niangaran'ny vintana.​

 

 

 

Rondro Volantsoa