Fifidianana: Ireo filoha telolahy teo aloha

 

Manahirana ny saina ihany ny hanoratra lahatsoratra ara-politika tahaka itony ao anatin’ny fotoanan’ny savorovoro toy izao. Manahirana satria tsy fantatra intsony hoe inona no marina sy tena zava-misy azo ampitaina ; tsy fantatra ihany koa iza no mandainga na mamadika ny marina. Tamin’iny herin’andro iny, toy ireo herin’andro rehetra efa lasa, dia mbola savorovoro ara-poto-kevitra sy fomba fijery ihany no niseho fa tsy misy fandrosoana marina ialana amin’ny krizy misy. Ho an’ny Frantsay, amin’ny alalan’ny Consule izay miasa sy monina eto amintsika dia nanentana ny mpifanandrina ara-politika malagasy rehetra hanao sonia ny feuille de route efa nohatsaraina izy na dia tsy tapitr’ohatra aza izany. Voalazany tamin’izany koa fa « ny fisian’ny fanjakana no ekeny, fa tsy ny mpitondra », ary tokony hiroso haingana amin’ny fifidianana. Midika izany fa ekeny ny fisian’ny rafitra eto Madagasikara : ny repoblika faha 4, ny filohany, ny praiministra, ny CST, CT, ny Fahefana Avo momba ny Lalam-panorenana, ny CENI sy ny sisa. Tsy midika kosa anefa izany fa i Andry Rajoelina, Camille Vital, Raharinaivo sy ny hafa no olana. Ho an’i Andry Rajoelina indray dia nohamafisiny fa tsy tokony iantehitra na hanantena zavatra betsaka avy amin’ny « reconnaissance internationale » ho famahana ny krizy satria tsy matotra ny resaka ataon’ny fikambanam-be iraisam-pirenena. Isika Malagasy ihany hoy izy no hamaha ny olana misy eto amintsika. Na izany na tsy izany anefa dia tsy mandràra ny fitohizan’ny fifampiresahana izy. I Zafy Albert, tamin’ny alalan’i Emmanuel Rakotovahiny dia nanambara fa tsy handray anjara mihintsy amin’ny fifidianana raha tsy mahazo ny reconnaissance internationale aloha ary vita ny « réconciliation nationale ».  I Ratsiraka (izay efa tsy hilatsaka intsony araka ny feo heno noho ny tsy fahasalamana) sy ny namany indray dia tsy nahenoana feo firy fa dia ny fanomanan’izy ireo ny fiverenan-dRatsiraka eto Madagaikara no mafotaka : rehefa tonga eto hoe i Ratsiraka vao milamina ny tany satria izy no hitondra hevitra hamahana ny olana rehetra misy. Ho an’i Ravalomanana sy ny mpiandany aminy kosa dia toa tolona tsy omby tratra sy ady efa very mialoha ihany ny hoe « hody i Dada » fa na i Andry Rajoelina, na i Camille Vital, na ny foloalin-dahy (izay tompon’ny fahefana eto amintsika) dia tsy tia ny hiverenan’i Dada intsony fa tena mpanakorontana. Izany hoe tsy hofidiana satria tsy hilatsaka na tsy afaka hilatsaka izy telo lahy ireo. Ny FFKM dia toa tsy hita atao be ihany fa mbetika miaro an’izatsy, mbetika manohana an’izaroa. Ho azy ireo manko dia efa ampy ny fanelanelanana natao fa dia miankina amin’ny mpanao politika sisa. Ny hafatra napetrany dia hoe vakio, alalino, diniho ny hafatra nomen’ny FFKM tamin’ny Pentekônty teo. Ho an’ny Antoko Miombon’Ezaka na ny A.M.E manokana dia fotoana fanomanana ny fototra any amin’ny fokontany, kaominina, distrika, faritra, izao fotoana izao fa tsy fotoana fanaovana kobaka am-bava hitazomana seza. Raha ampahatsiahivina tokoa manko dia ny A.M.E tamin’ny alalan’ny filohany Clément Ravaloson no isan’ny nilaza voalohany fa ny fifidianana ihany no hahazoana ny « reconnaissance » ary vonona hifanandrina amin’i Ravalomanana izy. Nambarany koa fa raha i Ravalomanana no olana dia avelao izy hody fa olona iray ve dia hanaovana sorona ny an’hetsiny. 

Hamaranana ity lahatsoratra ity dia tsy mety ny saina raha tsy miteny satria nahita, fa fomba tsy mety ary tsy tokony atao mihintsy ny fanoloram-bola « en liquide » ataon’ny fanjakana. Tamin’ny fanampiana ara-bola nomen’ny fanjakana, tamin’ny alalan’ny Minisitry ny Asa sy ny asam-panjakana, Henri Rasamoelina sy ny namany ho an’ny CENI any amin’ny faritra, no nahitana izany tany Fianarantsoa sy tany amin’ny Faritra Bongolava. Tsy fanao n’aiza n’iza izany raha tsy aty amin’ny tany mahantra . Fa raha firenena te hanana ny mangarahara dia tsy tokony hanome vola « en liquide, en espèce » satria sarotra ny manara-maso azy, miteraka fitiavan-kely ho an’ny mpandray, ary fantatra hatramin’izay fa tsy mandeha amin’ny laoniny mihintsy. Fomba efa tsy nety hatramin’ny andron-dRatsiraka izany kanefa dia mbola tsy hitantsika foana ny maha-ratsy azy.