Fihinana geba : matin’ny tsy fitandreman’ny fanjakana ny olona tao Toliara

Niniana
nosoratana herinandro maromaro taty aorian’ny loza nitranga teto
Toliara tokoa ity fomba fijery ity. Ny antony dia ny mba hananana
fotoana handinihana sy hamakafakana ny tena zava-nisy sy niainan’ny
vahoaka. Fa indrindra koa niandrasana ny vokatry ny fikarohana
nataon’ireo manampahaizana momba izany ny amin’ny antony tena nahatonga
ny fanampoizinana. Hiverenantsika eo ihany iny. Fa inona tokoa moa no
zava-nisy? Nisy mpivarotra trondro nolazaina fa avy any Salary-avaratra,
any akaikin’I Morombe any ho any tonga nitondra trondro samihafa amidy
tao Toliara toy ny Geba, Lanora, Pepy… Mora ny vokatra nentiny ka roboka
ny mpanjifa sy ireo mbola hanao kinanga (mbola hivarotra haka tombony).
Vetivety noho izany dia niparitaka  ireo vokatra ireo. Loza anefa fa
hay trondro nihinana poizina izy ireo. Nihinana lomotra hoy ny
filazan’ny fanjakana sy ny tompon’andraikitra; fa tsy izany ny fihevitry
ny vahoaka azy. Nandeha tokoa mantsy ny resaka, tsy dia hoe tsaho
loatra fa resaka, milaza fa ny ranomasina mihintsy no voapoizina. Ary
nisy mihintsy ny nilaza fa nahita sambo telo nanary fako teny ambony
ranomasina : sambo inona ary fako inona? Tsy misy afaka manome
valin-teny mazava. [Ny tsy azo lavina aloha, na dia tsy misy
ifandraisany loatra aza, dia ny fisian’ny sambo lehibe iray (paquebot)
tonga isan-taona mitsidika sy mitondra mpizahan-tany any Anakao (35 km
miala an’I Toliara) : mijanona ao Anakao isaky ny 24 desambra ka
mampanahy hoe : fa maninona ao tokoa; satria hafahafa ihany fa tsy mba
mamonjy ny serana-tsambon’I Toliara izy io]. Nisy ihany koa mpanjono
mpanirika hitan’ny olona vitsy dia vitsy hoe rehefa avy nanirika dia
vakivaky ny tarehiny. Nanomboka teto dia nankalaizana fa ny sira hono no
voapoizina, ny ranomasina hono no tsy azo ilomanosana intsony. Ary nisy
mihintsy aza nahasahy nilaza fa ny rano fisotro avy any Miary sy ny
reniranon’I Fiherena ihany koa dia voapoizina.
Raha
ny vokatry ny fikarohana nataon’ny IHSM (Fianarana ambony momba ny
fikarohana an-dranomasina) tokoa manko no lazaina dia hafahafa ihany ary
tena tsy nahafa-po ny vahoaka. Voalazan’ireo mpikaroka ireo fa lomotra
tsy hita maso no nohanin’ny geba izay tsy mahafaty azy saingy tsy
zakantsika olombelona kosa. Io lomotra io dia tokony tsy hisy intsony
hatramin’ny faran’ny volana marsa saingy noho ny hafanana diso
tafahoatra sy ny fiovaovan’ny toetr’andro dia mbola tena mirongatra be
io lomotra io. Izany tokoa ve no tena marina sa fampandriana adrisa sy
fandemen-tsaina fotsiny? Maivana loatra raha oharina amin’ny loza
nitranga. Misy lafin-javatra mampitamatama ny fanjakana ao. Fa maninona
raha efa fantatra fa misy ny fikorontanana eo amin’ny toetr’andro ka
mihamafana ny tany sy ny rano, nahoana no tsy natao avy hatrany ny
fikarohana momba ny fiantraikan’izany amin’ny ranomasina sy ny trondro
mba hanalavana sy ampitomboana ny fe-potoana tsy azo hihazana ireo
karazan-trondron-dranomasina ireo? Toa milaza izany fa anjoanjo sy
fahazarana be fahatany fotsiny ny an’ny tompon’andraikitra ny amin’ny
fandrarana ny fanjonoana karazan-trondron-dranomasina isan-taona fa tsy
misy fikarohana tena matotra. Tapitra tamin’ny faran’ny volana marsa
manko (30 marsa) ny fihinana geba sy ny namany. Nanjono ny olona ary
nihinana dia maty (tamin’ny faha 5 avril). Avy eo indray dia mbola
niandry 3 andro (8 avril) vao navoaka ny lalàna fandrarana ny fanjonoana
ireo karazan-trondro ireo. Mitamatama ny fanjakana dia ny vahoaka no
nibaby ny vokany?
Toy
izany koa ary tena lasa resabe aza ny momba ny isan’ny olona maty sy
nararin’iny fihinana geba sy fian-dranomasina iny. Ny filazana
ara-panjakana manko dia nanisa fa hoe 16 no maty ary aman-jatony ny
niditra hopitaly. Ny mponina kosa nanambara tetsy sy teroa fa maro noho
io isan’ny maty io no tena matin’ny fihinana fia. Saingy maro ireo olona
tsy nahasahy namonjy hopitaly noho ny henatra; na tsy afaka nandeha
amin’ny hopitaly mihintsy fa maty tany an-trano na lavitry ny hopitaly.
Ireny dia tsy voaisa ao anatin’iry voalaza fa 16 iry. Ny fikarohana
natao ihany no nahafantarana fa nisy fianakaviana iray mihintsy indray
maty tao an-tranony, dimy mianaka izy ireo. Misafotofoto toy izany tokoa
ny marina sy ny filazana isan-karazany, ka raha tsy manana fijery
ivelany dia miteniteny foana. Maninona ny fanjakana tsy mba nanao
fikarohana manokana na fanadihadihana momba ny tena isan’ireo maty noho
iny loza iny fa nionona fotsiny tamin’ny isan’ny maty tao amin’ny
hopitaly? Maninona tsy mba navoakan’ny fanjakana ny tarehimarika milaza
hoe karazan’olona inona no tena be maty tamin’iny. Araka ny
fanadihadihana natao ihany manko no nahafantarana fa tsy nisy vezo
mpanjono maty tamin’iny fihinanana trondro iny fa olona tsy mahay ny
fomban-dranomasina avokoa no tena betsaka maty. Nanontaniana ny vezo
tany Androka, tsy nisy maty; nanontaniana I Beheloka tena mpanjono, tsy
nisy maty; nanontaniana ny vezo tany Anakao, torak’izany; tany morombe,
tanin’ny vezo,tsy nisy maty… fa maninona no teto Toliara ihany no nisy
maty. Tokony mba tadiavin’ny fanjakana ny antony. Mampalahelo ihany
manko ny mieritreritra izany satria efa fantatra fa trondro misy poizina
ve mbola sahin’ny sasany hamidy. Mba nanokana vola sy olona hanao
fikarohana manokana ve ny fanjakana mba hanafoanana ny loza ohatr’ireny
tsy hiverina intsony amin’ny herintaona? Sa tsy andaniam-bola satria ny
olona no tsy mitandrina? Soa ihany ny vahoaka Malagasy fa mbola hendry
tsy mahasahy mitory ny fanjakana. Sady atao ahoana tokoa moa no hitory
ny fanjakana amin’ny heloka tsy nataony : tsy namono olona izy tsinona
satria tsy izy no nilaza hoe mihinana fia fa ny vahoaka no adala.
Manahirana.

‘Najaris,