Fisolokiana, mampitandrina ny Sanda Mozika

Efa miha sarotra tokoa ny fiainana ka betsaka ireo manao izao fomba rehetra izao hametsifetsena ny hafa. Fisolokiana be vava ary mety hanjo olona maro ny tranga izay niseho tamin'ny asabotsy teo ka nanaovan'ny Orchestre Sanda Mozika antso avo hitandreman'ny tsirairay. 

Nisy tokoa mantsy ny mpisoloky nitondra ny anaran'ny Sanda Mozika nanao fifanarahana fa hanentana mariazy iray. Efa lasa ny vola ary efa voaomana avokoa ny rehetra. Nony tonga anefa ny andro manan-daza dia tsy tonga ny tarika. Izay vao nifandray tamin-dranomaso tamin'ny tena tompon'anarana ka teo vao hita fa mpisoloky no nanaovana fifanarahana fa tsy ny tena Tarika.

Mila mailo hatrany na dia amin'ny zavatra eritreretina ho azo itokisana aza satria ny ratsy tsy kely lalana. Manararaotra milaza ny orchestre Sanda Mozika fa ny fomba hifandraisana aminy dia na amin'ny Takelaka Facebook Sanda Mozika eto na koa amin'ny antso an-taroby etsy ambany ihany. Tsy misy afaka misoratra ho mpisolo tena azy ireo raha tsy avy amin'io fifandraisana io ihany.

Fifandraisana amin'ny Sanda Mozika
tel: 0331503338
tel: 0331152255
tel: 0344628129 
Facebook: https://www.facebook.com/sanda.mozika