Hiverina amintsika ry Squartz miaraka amin'ny 'Fiarahana fohy'

 

Tany amin’ny taona 1989 no nananganan’i Haingo, Fidy, Gesta ary Steve (Ra-Leka) ny tarika Squartz  raha mbola mpianatry ny sekoly Sainte Famille tao Mahamasina izy ireo. Ny taona 1994 dia nanampy isa azy ireo i Lita sy Rija, raha mbola nianona tamin’ny naha-mpamorona ireo hira sasantsasany fotsiny izy roalahy  talohan’izay.

Teo amin’ny sehatry ny Rock no tokotany nilalaovana, nifampizaràna traikefa sy nilofosana hanakatra ny kanto hatrany. Tsy nitandroana hasasarana ny famerenan-kira tao amin’ny Studio Bayard  tao Mahamasina ka nahavitana soa aman-tsara ny fandraisam-peo sy ny famoahana an’onjam-peo hira vitsivitsy toa an’ i “Ny adiadintsika”,  “Katry”, “Trimobe”.

Tanatin’ny taona maromaro dia nihamatotra hatrany ny tarika ary tafiditra teo anivon’ny fianakaviamben’ny mpanao rock malagasy teo ambany fanentanan’i Rabita, isan’ny mpamorona ny tarika Kiaka, sy Manase, kalaza amin’ny filalaovana gitara tao amin’ny Martz. Maro ny fiakarana an-tsehatra nandritra izany, izay nahafeno trano hatrany, toy ny teny amin’ny Lycée eny Andohalo, Caf’Art teny Ambatonakanga, ny Galerie 6 eo Analakely, indrindra nandritra ny Festival  "Rock Malagasy" nokarakarain'ny Association Rock Malagasy (ARM) ny taona 1996.  Vanim-potoana nanomboka nipoiran’ny tarika rock maromaro ihany koa ireny : ry Black Wizard, Beetlejuice, Men Out, Fisina, Cherokees, RBG sns.

Ankoatr'ireo dia isan’ny nanampy betsaka ny Squartz ny fandalovana tamin’ireo onjam-peo sy fahitalavitra isan-karazany satria nanokatra làlana sy sehatra maro ireny ary nampanakaiky ny tarika tamin’ireo mpanaraka sy mpankafý.  

Singanina amin’ny zava-bita tamin’ireny fotoana ireny ny nandraisana anjara tamin’ny fifaninanan-kira “Show your Skill”  teo anivon’ny oniversite tamin’ny taona 1997 ka  nandrombahana ny laharana faharoa. Ny fiakarana an-tsehatra niaraka tamin’ny tarika Iraimbilanja teo an-tokotaniben’ny sekoly Sainte Famille, Mahamasina ny taona 1998. Fampisehoana tao amin’ny Hotel Glacier Analakely kosa – feno hipoka toy ny mahazatra – no niarahana farany tamin'io taona io, nialoha ny nialan’i Rija tanindrazana nandeha nanohy fianarana tany am-pita. Roa taona taorian’izay dia nita ranomasina ihany koa i Lita sy Fidy ary Gesta.

Nisy koa ny ora nanjombona raha nindaosin’ny fahafatesana tampoka i Haingo ny taona 2012 ka nahatsiaro ho kamboty tampoka teo ny tarika nilaozan-drahalahy tiana.

20 taona atý aoriana, miarina ny tarika ao Frantsa, izay firenena onenan’izy ireo ankehitriny, vonona hifanotrona amin’ireo mpankafý hatramizay, hamerina sy hanohy ny mozika nampifamatotra ka hanolotra rakikira ho fanomezam-boninahitra an’i Haingo : “Fiarahana fohy” izay misy hira nosoratany sy nosoratana ho azy. Anisan’izany i “An-tanin’olona”.

 

 

Eo am-piandrasana izany dia araho tsy tapaka ny pejin’ny mpankafý ao amin'ny facebook : SQUARTZ – Squartz izay midika ihany hoe Quartet ary ahitana ankehitriny an’i Fidy, Rija, Gesta ary Lita.

Ho an'izay efa dodona dia afaka mihaino sahady an'i "Lavitra" :

 

 

 

 

Rondro Volantsoa