Ho vitan'i Beriziky ve?

 

Omer Beriziky izany no (nasaina) notendren'i Andry Rajoelina ho Praiminisitra rehefa avy nifampidinika tamin'ny SADC nandritra ny adin'ny enina izy. Nolazaina tokoa mantsy fa ny zoma teo tokony tamin'ny fito hariva no natolotra ny vahoaka ny Praiminisitra vaovao aorian'ny tatitra sy fifanatrehany amin'ny SADC. Tamin'ny dimy ora hariva vao tonga ny SADC ka angamba tsy ampy ny adin'ny roa satria dia tamin'ny 11 ora sy fahefany alina vao notononina ny anaran'i Omer Beriziky.

Araka ny kabary nataon'ny filohan'ny HAT dia tsy nisy nanery izy ary avy amin'ny mpanohitra i Omer Beriziky ka antenaina amin'izay ny hisian'ny fiarahamiasa hanarenana ny firenena. Hajanona ny hambom-po fa hiatrika ny fifidianana amin'izay. Nisy avy hatrany moa ny tsikera mahery vaika avy amin'ny vondrona Ravalomanana tamin'ity fanendrena ity satria tsy araka izay nifanarahana hoy izy ireo. 

Fa avy aiza moa i Omer Beriziky? Izy ihany no anarana natolotry ny avy ao amin'ny ankolafy Zafy Albert tamin'ity hazakazaka ho eny Mahazoarivo ity. Efa saika tsy hanolotra anarana ry zareo nefa avy eo nipoitra tampoka nanolotra ny anaran'i Omer Beriziky. Lohandohan'ny mpisorona ao amin'ny antoko Leader Fanilo anefa ity lehilahy ity ary vitsy no nieritreritra azy ho voatendry ho praiminisitra. Koa satria ny ankolafy Zafy Albert no nanolotra azy ara-dalàna dia manan-kery ny fanendrena azy na dia eo aza ny hoe avy ao amin'ny Leader Fanilo, izay antoko manohana ny HAT izy. 

Ny adidy lehibe miandry an'i Omer Beriziky ary izao dia ny manangana ny governemantan'ny firaisam-pirenena. Mila mandresy lahatra ny vondrona politika rehetra indray izy, indrindra fa ireo avy ao amin'ny ankolafy Ravalomanana, fa tena mampiseho ny firaisam-pirenena izany governemanta izany. Inoana nefa fa tsy maintsy hisy ihany koa ny fanerena avy amin'i Andry Rajoelina momba izay governemanta hivoaka eo. 

Ankoatra ny ezaka hifandraisana indray amin'ny Vondrona Iraisam-pirenena sy ny fandresen-dahatra azy ireo hamerina indray ny famatsiana ara-bola an'i Madagasikara, dia izy ihany koa no antenaina hikarakara ny fifidianana isan-tsokajiny. Miankina be dia be amin'ny fatokisan'ny ankolafy politika azy anefa no hahatomombana izany fifidianana izany. Ao anatin'ny andro vitsivitsy dia ho hita avokoa ny valin'izany ahiahy rehetra izany, rehefa mitsangana tokoa ny governemanta.

 

R. B.