Ilery

"ilery" no solon’anarana nofidiako ho entina amin’ny maha-poety ahy.

"ilery", anarana toa
fiantson’ireo zatovo matetika, toy ny fantatry ny rehetra nefa koa mifono
misitery ka mampametra-panontaniana hoe « fa iza marina moa ilery e! ». « Ny famakianao sy
fanarahanao ireo tononkalony no ahafantaranao be be kokoa ny amin’ilery ».

Raha ny tena anarako amin’ny fiainana
andavanandro kosa dia RABEHASY Zo
Kiadiniaina, monina eto Iarivo.

Tsy mpikambana anaty fikambanana ny tenako nefa
kosa vonona hiara-hiasa amin’ireo mpanakanto hafa toy ny mpihira, mpamorona
feonkira na koa ireo poety sy mpanoratra Malagasy ohatra ahy, ary vonona ihany
koa hiserasera amin’ ireo izay mpankafy ny sora-tanako; ka ny imailaka
ahafahanao mifandray amiko amin’izany dia ny ilery.iarivo@gmail.com

 

Raha ny tranonkala manokana indray dia mbola eo
ampiketrehana azy fa na izany aza dia ankoatra ny eto amin’ny
vetso.serasera.org, dia misy takelaka iombonana hafa azonao hamakiana ny sasany
amin’ireo tononkaloko ihany koa izay hitanao ao amin’ity rohy ity http://www.facebook.com/pages/Ilery/124117281039

Tamin’ny faha-16 taonako tany ho any no
nanomboka nanoratra aho, rehefa nibadabada teny dia nihamatotra nanaraka ny
taona ny tononkalo voasoratra, ny fomba fanehoana ny aingam-panahy ary ny
fampitàna ny hevitra fonosina ao anatiny; ka amin’izao fotoana dia tapa-kevitra
ilery hampahafantatra miandalana amin’ny
besinimaro ireo sangan’asany ireo ary hifantoka kokoa amin’ny kalitaon’ny
tononkalony. Noho izany dia misy ny vinavinan’asa handrafitra fehezan-tononkalo
iray izay ho raketina boky ka ho fantenana ireo tononkaloko tsara indrindra havoaka
ao anatin’izany miaraka amin’ireo famoronana vaovao.

Ny hafatra dia mamporisika ny Malagasy rehetra
ho tia sy hankafy ny literatiora Malagasy indrindra ny tononkalo ary hiverina
ho tia vaky boky anisan’izany ireo bokin’ny poety Malagasy na ny efa
andrarezina toa an’i Rado, na Dox izay anisan’ny ankafiziko, sy ireo hafa maro,
na ny vao misandratra toa ahy.

Amporisihana ihany koa ny fiaraha-miasa eo
amin’ny poety sy ny mpanakanto hafa amin’ny lafin’ny hira satria “izay tsy
mahay sobiky hono mahay fatam-bary”; etsy andaniny koa dia tsapa fa ny tononkalo
izay vita hira dia mitoetra kokoa ao an-tsain’ireo mpankafy.

Tsy adino ny mankasitraka sy mankatelina ny
vetso.serasera.org sy ny mpiara-miasa aminy amin’ity tetikasa “Antsa an’onjam-peo
no kalo” ity.

Azo jerena an-drohy eto ny tononkalon'ilery

Hamaranako azy dia indro misy tononkalo fohy iray
hitondrako anao mitsidika an’izany tontolon’ilery
izany.

SILAKA FANAHY

Raha ny masoko no nisafidy

Mety ho hafa fiantefa,

Raha ny saiko no nandidy

Mety ho diso safidy,

Fa ny foko no nahalala

Fa ianao ilay malala,

Silaka fanahy

Notadiaviko hatrizay

 

                                     Raha
teny no entiko midradradradra

                                      Ny
vetsom-poko androany,

                                      Dia tsy ho
ampy sy tsy hahalaza

                                      Ny
fitiavako tsy mety lany;

                                      Fa indro
pera-tsarobidy,

                                      Ho marika
fa ianao no finidy;

                                      Ekeko ho
malalako doria,

                                      Hiara-hanandratra
fitia!

 

ilery

Jolay 2008