Iza ary moa i Kiriah

Malalatiana Kiriah antsoin’ny mpanakanto hoe Kiriah dia voataiza tanteraka
tao anatin’ny tontolon’ny zava-kanto : hira, dihy, hoso-doko … ary indrindra ny
asa soratra . Ny asa soratra tiany sy novakiany voalohany dia ny baiboly, izay
ihany koa moa no nitaizana azy.

 Folo taona izy no nanomboka namaky asa soratra Malagasy , toy ny
sanganasan’Idealy Soa , Ed Andriamalala… “Soveniran’ny foko” , no boky
novakiany voalohany ary tam-piafenana no namakiany izany satria boky tsy mbola
natao ho an’ny ankizy toa azy izany. EDA no mpanoratra tena ankafiziny ary
saika efa nandalo teo ambany masony daholo ny boky rehetra nosoratany.

 Tantara foronina sy tantara an' onja-peo no tena manavanana azy , ary na
dia tsy mbola nahavoaka boky aza izy dia efa eo an-dalam-panitsiana sy
fanamasahana izany faniriana izany. Ny fikasany dia ny hamoaka ny bokiny
voalohany mandritra ny fialan-tsasatra lehibeamin’ity taona ity .

 Tamin’ny taona 2010 izy no nanomboka nanoratra tononkalo ary teto amin’ny
takelaka
www.vetso.serasera.org no tena
nanapariahany izany. Na dia tsy dia havanana loatra amin’ny fanoratana
tononkalo aza izy ( hoy ny filazany azy ) dia tena lasa “vetso nankafiziny”
izany. Nitombo teny am-pandrindrana rima teny ny hetahetany hanoratra, sy ny
fifehezany ny kantony.

 Tsy manana gadona sy rima manara-drafitra loatra izy, kanefa dia vitany
tanteraka ny namolaka ireo kanto tiany ambara ; ny FITIAVANA sy izay
ERITRERITRA sendra mandalo no arariny an-teny sy amoahany ny vetsony