Jean Chrys lehiben’ny tarika JB Junior : mahazaka ny anaran-drainy

 

Nampitolagaga ireo nanatrika ny Festival Jerijery tao Vavatenina (Faritra Analanjirofo) ny fahaiza-manao ananan’i Jean Chrys, lehiben’ny tarika JB Junior. Teo amin’ny famerenana an’ireo hiran-drainy dia tsy nisy azo nokianina na ny feo na ny mozika mandravaka. Teo amin’ny fiakarana an-tsehatra dia ny “look” nentin-drainy tamin’ny fotoan’androny ihany no entin’i Jean Chrys na teo amin’ny fitafy na teo amin’ilay karazana satroka nampalaza an’i Dr JB. Amin’ny maha zanak’i Dr JB azy, manana endrika itovizana izy mianaka. Ho an’ireo rehetra niatrika ny fampisehoana nataony tao Vavatenina iny, niaiky ny rehetra nanatrika fa toa tsy maty akory i Dr JB ary zakan’i JB Jr tsara ny anaran-drainy. Ny tarika JB Junior izay namelona an’ireo hira nampalaza an-drainy  toy ny: “Samby tombé”, “Aza m’derange”, “tsy fitiavako mampirafy”, “Tsisy credit”, “Boana mosa”  sy ireo hira nahafantarana azy.

Nanamafy i Jean Chrys fa manana hirany manokana ny tarika JB Jr fa tanjona kosa ny hamelona hatrany an’ireo hira nahafantarana an’i Dr JB. Ny 13 oktobra lasa teo no maty teo amin’ny faha-55 taonany  i Justin Bezara ( Dr JB). Efa 5 taona tao anatin’ny aretina noho ilay loza  nahazo azy  (AVC-Accident Vasculaire Cérébral ) teo am-panaovana fampisehoana tany Frantsa ny 2 desambra 2006. Mialohan’ny nandevenan’azy dia notoloran’ny Fanjakana Malagasy mari-boninahitra ”Chevalier de l’Ordre National Malagasy” i Dr JB satria niezaka nampiakatra avo hatrany ny mozika Malagasy.

Nangonin’i Tamaga