Lalam-pirenena faha-44 sy faha-4 : mirongatra mafy ny dorotanety

 

Saika ahitana tanety  mirehitra daholo ny manamorona an’iny lalam-pirenena faha-44 mampitohy an’i Moramanga sy Ambatondrazaka ary ny lalam-pirenena faha-4 mampitohy an’i Antananarivo amin’i Mahajanga iny. Mirongatra mafy arak’izany ny dorotanety amin’ireo Faritra roa ireo. Ho an’ny eny amin’ny lalam-pirenena faha-4 iny, fahazarana ho an’ny mpiompy omby amin’iny Faritra iny ny mandoro tanety mba hipoiran’ny ahitra vaovao omena ireo omby. Ho an’ny ao amin’ny Faritra Alaotra indray, ny fambolem-bary an-tanety no antony mahatonga ny fanaovan’ny olona tavy(dorotanety). Ho an’ny any amin’ny Faritra Alaotra-Mangoro , misy fiantraikany goavana eo amin’ny lafiny rano manomndraka tanimbary io firongatry ny dorotanety io. Tsy ampy ny rotsakorana. Afon-dorotanety no mandrakotra ireo tampon-tanety. Tsy mahagaga ny mponina noho izany raha tsy mirotsaka mihitsy ny orana any Alaotra. Efa misy ny fanentanana atao amin’ireo onjam-peo maro any an-toerana makasika indrindra ny ady amin’ny dorotanety fa toa tsy misy miraharaha mihitsy. Ho an’ny ao amin’ny Faritra Boeny indray , hita ho miha mafana hatrany na eny amin’ny lalana mihazo an’I Majunga na ny ao Majunga antampon-tanàna satria ripaky ny dorotanety ireo aty ala. 

Tato ato, nanao fanentanana sy fampatsiahivana ny ministeran’ny tontolo iainana fa mampigadra ny dorotanety ary nentanina ny rehetra mba hiara-hisalahy hamono afo vantany vao mahita dorotanety. 

Nangonin’i Tamaga