Loka Tokan'ny Akademia Malagasy ho an'i Ny R. Fidimanantsoa

Ny tantara "Kitoantoana" izay nosoratan'i Ny R. Fidimanantsoa no nibata ny loka tokana izay natolotry ny Akademia Malagasy nandritra ny Fifaninanana Tantara Noforonina nataony tamin'ity taona 2013 ity. Tao amin'ny foiben'ny Akademia Malagasy teny Tsimbazaza no natao ny lanonana ny alakamisy faha 19 desambra lasa teo, teo ambany fiahian-dRamatoa Juliette Ratsimandrava izay Filohan'ny Vondrona Misahana ny Haikanto.

Nandritra izany lanonana izany ihany koa moa no nandraisana ireo mpikambana vaovao 21 ho ao amin'ny Akademia Malagasy.