Maherin’ny 4.000 ireo vazaha tsy manana taratasy ara-dalàna

 

Rehefa nohamarinin’ny Ministeran’ny ati-tany ireo vazaha monina sy miasa ao Toamasina, fantatra fa maherin’ny 4.000 ireo tsy manana taratasy ara-dalàna ahafahana mipetraka eto Madagasikara. Ireo mpiasa miasa ao amin’ny Tetikasa Ambatovy no tena maro anisa. Ny alakamisy 27 oktobra lasa teo, nidina ifotony tao Toamasina mihitsy ny Minisitry ny ati-tany, Jean-Eric Rakotoarisoa, nampiantso ireo talen’ny orinasa mampiasa teratany vahiny. Ny tena mahazendana , efa maro amin’ireo teratany vahiny niasa tao amin’ny Tetikasa Ambatovy no efa tapitra fifanarahana arak’asa sy tapitra ny fahazoan-dalana hipetraka eto Madagasikara nefa mbola minia sy mijanona monina ao Toamasina ihany. Ho hentitra noho izany  Fanjakana Malagasy, tsy maintsy horoahina hiala eto Madagasikara ireo teratany vahiny tsy manana taratasy ara-dalàna. Ho an’izay mbola te hipetraka eto Madagasikara kosa dia tsy maintsy manavao ny taratasy fahazoan-dalana.
Nangonin’i Tamaga