Momo Jaomanonga, ambasadaoron'i Madagasikara nandritra ny Herinandron'ny Kolontsaina Afrikana tao Maroc, ny 2 sy 3 mey 2019.

 

Tamin’ny fiandohan’ny volana mey io dia nampiantrano mpianatra 600 teo ho eo, avy amin’ny firenena afrikana 15, ny “Université Mohammed Premier” (UMP) ao Oudja, Maroc, nandritra ny andiany faha-enina amin'ny Herinandron’ny Kolontsaina Afrikana izay fanaony isan-taona.  Mpianatra mandranto fahalalana amin’ireo sampam-pianarana isan-karazany iandraiketan’ny UMP avokoa izy ireo, araka ny voalazan’ny mpikarakara.

Nanana solontena tamin’izany i Madagasikara dia i Momo Jaomanonga, mpianatra monina ao Maroc sady mpanoratra sy poeta manandratra avo ny hainteny sakalava.

Ny lohahevitra tamin’ity, izay mametraka an’i “Afrika eo anivon’ny UMP”,  dia mikendry indrindra ny hampivelarana ny fahamaroan’ny kolontsaina satria zava-dehibe ho an’i Afrika izany ka rariny tokoa raha ho tanimboly hamokatra tanora tompon’andraikitra vonona amin’ny fampandrosoana an’i Afrika ny anjerimanontolo. Manamarina izany rahateo ny ohabolana afrikana hoe : Ny kolontsaina dia ny fahafahana mamorona, manavao sy mizara ny soatoavina.

Ary nanamafy izany rehetra izany i Momo Jaomanonga tamin’ny lahateniny teny am-panokafana ny fotoana. “Arakaraky ny hiarovantsika ny kolontsaina, hoy izy, no iarovany antsika koa. Ka andao arovana izy ary atambatra ny hery satria ny kolontsaina dia antoka iray no sady fitaovana hanatratrarantsika ny fahombiazana. Izay tsy mahay ny kolontsainy dia tsy ho lasa sangany mihitsy akory.

Ny andro faharoa kosa, nandritra ny famelabelaran-kevitra nataony - mitondra ny lohateny “Afrika, fahasamihafan-kolontsaina sy loharanon’ avara-pianarana"  - no nanazavan'i Momo Jaomanonga fa tsy afa-misaraka ny fanabeazana ho olom-banona sy hitarika ny fiaraha-monina raha tsy miaraka amin'ny fankamamiana ny kolontsaina. Manana anjara toerana lehibe tokoa ny kolontsaina eo amin'ny fanofanana ny ho mpitarika.

Teo am-pamaranana dia fisaorana feno no natolony ny "Université Mohamed Premier" izay nanasa azy satria zava-dehibe tokoa ny fifampizaràna traikefa tamin'ireo mpianatra maro samy tamin'ny kolontsainy avy. Tsy diso anjara koa ny fankatelemany ny fandraisana nataon' ireo mpianatra malagasy monina ao Oujda sy ny mari-pihavanana nasehon’izy ireo taminy tany an-tany lavitra tany.

Isika rehetra koa dia mankasitraka azy hatrany amin’izay rehetra ataony, tsy ho an’ny faritra avaratry ny nosy fotsiny ihany ireny fa harena sy voninahitr’i Madagasikara iray manontolo indrindra koa.

 

 
 
Rondro Volantsoa