Mpiasan’ny Kaominina Toamasina : « Tsy mandray baiko avy amin’i PDS intsony izahay »

 

Tsy fahombiazana hatrany no hita amin’ny paikady ataon’ny Filohan’ny Delegasionina manokan’ny Kaominina Toamasina amin’ny ho fandravana ny fitokonan’ireo mpiasan’ny kaominina. Nandamoka indray ny fampitandremana nataony mahakasika ny handroahana ireo mpiasa mbola manohy ny fitokonana manomboka ny alarobia 2 novambra. Raha ny zava-nisy ny andron’ny alarobia 2 novambra lasa teo : mbola nifamotoana teo anoloan’ny biraon’ny Voirie Toamasina ampitan’ny biraon’ny mpamonjy voina ireo mpiasa mitokona izay mbola nanamafy fa tsy misy mihemotra eo. Mbola narentirentin-dry zareo ireo sora-baventy mitaky ny fialan’i PDS Toamasina Rakotovao Mariot Jean Florent izay narahina fanamafisam-peo. Nanamafy koa ireo mpiasa  fa “miandry fanesorana an’i PDS izahay vao miverina miasa ary efa tsy mandray baiko avy aminy intsony izahay mpiasa”. Tetsy ankilany, tsy sahy nidina teny an-toerana akory ingahy PDS ary tsy sahy nandroaka ireo mpiasa maro be mitokona. Na izany na tsy izan,  mbola nanamafy kosa ny tenany ‘fa mbola izy no PDS ao amin’ny kaominina Toamasina satria tsy mbola nisy didim-pitondrana avy any amin’ny Fanjakana foibe manaisotra ahy  amin’io toerana io”. Ny mpiasan’ny kaominina sy ny PDS no manao ny ataony, ny vahoakan’i Toamasina no mizaka ny vokany raha tsy ilaza afa-tsy ny loton'ny tanàna, ny tsy fahafahana mikarakara  ireo taratasy ao amin’ny kaominina satria tsy miasa ireo mpiasa. 

 

Nangonin’i Tamaga