Nogabe Randriaharimalala

 

Nanomboka tamin'ny fahazazany tao Madagasikara, ilay toerana nahitany masoandro, dia efa nilalao zava-maneno isan-karazany i Nogabe Randriaharimalala.
      
       Nandao
ny nosy izy tamin’ny taona 1976 ka nonina tany amin’ny Repoblikan’ny
Chine entim-bahoaka. Tamin’izany moa dia niandraikitra ny fidabohana ny
aponga maro anaka (batterie-drum) tao amin’ny tarika
« Peking all Stars » ny lehilahy. Avy eo izy dia nanangana ny tarika “Black Dragon”, tao Pekin izay nilalao Mozika miandany tamin’ny gadona afrikana .

       Tamin’ny taona 1990 no nijoro  tao HONG-KONG  ny tarika NOGABE àry tafiditra tao anatin’ny sokajy “Groupe international de musique du monde” ry zareo. Fehezan-kira roa no vokatra tamin’izany. Ny voalohany dia “NOGABE”, ny manaraka, mitondra ny lohan-teny hoe: “POLITICS, POWER AND GLORY”.

       Rehefa
nifindra monina tany Londres izy tamin’ny taona 1997 no namoaka ny
fehezan-kira fahatelo, izay nampitondrainy ny lohanteny hoe: “3rd WORLD GENTELMAN”. Mpilalao mozika afrikana no niaraka niasa taminy tamin’izany. Nandritra
izany fotoana izany ihany koa no niarahany nilalao tamin’i
Hugues Modeste Randriamahitasoa,
mpanakanto avy any atsimon’i Madagasikara, mpihira sady mpamorona ihany
koa. Ny fiaraha-miasan’ izy mirahalahy no nahatanterahany an’i
ZALAMA sy nandraisany anjara tamina FESTIVALS maromaro tao LONDRES.

       Rehefa niverina tany Pekin i Nogabe tamin’ny taona 1998, dia nanangana ny tarika
“NOGABE Randriaharimalala” niaraka tamin’i Eddy Randriamampionina sy Dominic Bautista( Phillipines) . Nahatanteraka ny famoahana ny fehezan-kira faha-4 mitondra ny lohanteny hoe “AFATRA” (2006) ny fiaraha-miasan’izy ireo.

          Miaina
any Londres ankehitriny i Nogabe àry miara-miasa miaraka amina
mpanankanto vaovao sady manomana ny fehezan-kirany faha-dimy. Ny
faniriany dia hizara ny aingam-panahiny aty Frantsa sy
eran-tany .Aingam-panahy izay notovoziny  avy ao anatin’ny zava-kanto
malagasy izay novolavolainy mba ho “blues exotique”.

                         Nicky Raonison sy Laza Gasy tsy very

Vangio ny tranon-kalany : http://www.myspace.com/nogaberandriaharimalala