Ny 'Daboka', gadona mitondra mankany Holly Zion.

 

Mpanakanto manana ny mahaizy azy eo amin'ny tontolon'ny reggae ao Madagasikara i  Murauskas Gerliano RANAIVOSON - na i Holly Zion eny an-tsehatra. Ny taona 1987 izy no teraka ary "hamorona sy hilalao mozika ary hizara izany amin'ireo rahalahiko sy anabaviko eran'ny nosy sy eran-tany no adidy nanirahana ahy", hoy izy. 

Ny taona 2002 no nanombohany niditra lalina teo amin'ny sehatry ny mozika raha nanorina ny tamin'ny tarika Sphinx, nivoy ny gadona "rock" tao Mahajanga izy. Niova kely ny firehany nony avy teo ka nirona tany amin'ny mozika Haintso-Haintso ny taona 2007 tao anatin'ny tarika Kingirity Black niaraka tamin-dr'i Dex KB, Rastaf'I, Liric's, HigherMan. Fa ny fiarahany tamin'ny Ital Tunes Sound System kosa no nitondra azy nankany amin'ny gadona reggae, na dia mbola re hatrany amin'ny sangan'asany aza ireo traikefa azony tamin'ireo gadona roa voalohany ireo. Toy ny malagasy rehetra tia mozika dia ny fahazaran'ny sofiny mihaino sy ny fizarany milalao no nahafahany nivelatra ho matihanina eto amin'ity taranja ity.

Ny fankafizany ny Beko sy ny Antsa kosa no nampifoha ny aingam-panahiny ankehitriny ka nahatonga azy hamorona gadon-kira mampiavaka azy manokana dia ny "Daboka", na ny Antsa Dub, laron'ny "antsa" izay mampalaza ny faritra avaratry ny nosy amin'ny "dub" jamaikana. Mozika manandratra ny fanahy, hoy izy, natao ho fitaovana hampanjakana ny Fitiavana sy ny Rariny ary ny Fandriampahalemana.

Efa maro ny sehatra ahitana an'i Holly Zion, ao koa ny fiarahany miasa amin'ny mpanakanto hafa ary azonao atao tsara ny manaraka ny pejin'ny mpankafý azy ao amin'ny tambazotran-tserasera :  Holly Zion

 

 

 

 

Rondro Volantsoa