Ny tantara no aoka hitsara

Ny Tantara no hitsara ! Asio Hasiny ireo maritiorantsika tamin’ny
martsa 1947 !

Tsy azo fafana na hodiana tsy fantatra ny
tantaran’ny Firenena. Indrindra ireo fotoan’andro nisian’ny vahoaka natao
sorona noho ny fitakiany ny zo maha-olona sy ny fiandrianam-pirenena. Ny olona
very tadidy dia tsy mahafantatra izay niaviany ary mipenompenona tsy mahalala
ny lalan-kalehany. Tsy ny tadidy ihany no very fa ny fiainan-ko aviny ihany
koa. Ary ny Fahendrena Malagasy dia milaza fa “Ny itodiahana ny lasa,
itsinjovana ny ho avy” !

Tsiahivina ny lasa hakana lesona mba tsy
hanaonao foana fa handroso amim-pahamatorana kokoa. Ny olona tena tia
fandrosoana marina no tsy maintsy mianatra ny Tantara.

Sady koa ny fanaovana tsinontsinona ny lasa dia
fanaovana tsinontsinona ny fahoriana mangidy nozakaina ka sady mampalahelo no
mahatezitra. Ary misy alahelo sy takaitra tsy voavidim-bola amin-karena fa tsy
maintsy mifanazava, mibaboka sy mifamela. Mariky ny fifanajana izany hamerenana
ny fifampitokisana sy fifandeferana. Raha tsy efa izay dia tsy Fihavanana no
iarahana fa Fiatsaram-belatsihy ka tsy menatra ny hifamitaka sy hifandrafy
indray.

Tsy miady tsy miady kanefa ny kibay an-kelika
ihany !

Tsy mandà ny fandripahana vahoaka Malagasy
an’aliny ny Fanjakana frantsay  fa kosa
manamaivana izany ka nilazàn’andriamatoa Chirac hoe “derives coloniales” izany
hoe HADISOANA TSY NAHY na TSY VOAFEHY ireny vono moka tamin’ny 1947 ireny fa
tsy HELOKA na “crime”.

Tsy heloka ny fandoroana tanàna, ny fanimbana
voly any an-tsaha, ny famonoana biby fiompy mba hahafaty mosary ireo mponina
Malagasy nandositra any an’ala.

Ahoana moa ny amin’ireo Malagasy nasaina novonoina
taorian’ny hotakotaka ? sazy tsy nisy fitsarana ara-dalàna akory ? meloka
daholo ve izy rehetra tsy an-kanavaka ? ary inona no heloka bevava niampangana
azy ? satria nitaky fitovian-jo sy Fahafahana ? 
Ary mba nisy ve fitsarana na dia frantsay iray monja aza tamin’ireny
fifamonoana ireny ? Na dia iray monja aza tamin’ireo nampitifitra olona 166 tao
anaty wagons tao Moramanga ? Tanindrazan’iza I Madagasikara ?

Ary ahoana ny amin’ireo mpikambana tao amin’ny
MDRM, nampijaliana, novonoina ary natsipy ho hanin’ny alika ny fatiny ?

Raha tamin’ny taona 1789 no efa tafiditra tao
amin’ny lalam-panorenana frantsay ny “Déclaration française des droits de
l’homme et du citoyen”, valo amby dimampolo amby zato taona (158 années) aty
aoriana ny fanaovana habibiana sy fandripahana vahoaka malagasy tamin’ny taona
1947 ary tena mbola tao anatin’ny “fampandrian-tany”, 1948, no lany teo
anivon’ny Firenena mikambana (ONU) ny Déclaration universelle des droits de
l’homme.

Inona no heloky ny Malagasy, nitady ho “homme”
tahaka ny frantsay ???

Dia mamerina ny fanontaniana
amin’Ingahy Chirac aho, “derives coloniales” ve no nitranga tamin’ny 1947 sa
crime contre l’humanité ? Qu’est-ce qu’une Nation qui n’a pas le courage
d’assumer ses fautes ?

Fa masiaka kosa aho amin’ireo
Malagasy manamaivana ny trangan-javatra tamin’ny 1947, mba rà  Malagasy ve no mikoriana ao aminareo ?!
na inona fanamarinan-tena ataon’ny mpanjana-tany, ahoana no fihevitrareo ny
Hasin’ireo natao sorona hibodoan’ny vazaha ny tanindrazana ? ary tsy izay
fanamaivanana izay indrindra ve no niteraka fampitifirana tamin’ny 1971, 1972,
1991, 2002 sy 2008 ?

Tsy ho fankahalana ny frantsay akory no anton’ity
lahatsoratra ity, sanatria. Tsy ho fitakiana fifonana velively ihany koa.  Araka ny finoana Malagasy dia misy firindrany
ny voahary rehetra nataon’Andriamanitra ka samy anarin’ny ataony eny ary samy
mibaby ny heloka vitany. Tsy hiandry tambiny koa isika satria ny aina tsy
voavidy ary tsy atakalo vola. Aoka ho FAHAMENDREHANA no asetrintsika izany,
izay ilay fanahy maha-olona toavintsika.

Tsy misakana antsika tsy handroso ny lasa sy ny
tantara, vao mainka aza hanome HERY antsika.

Na tsy nitovy aza ny hery nifanandrina,
azontsika ihany ny Fahaleovantena noho ny sorona nataon’ny Tia Tanindrazana.
Tamin’ireny vanim-potoana ireny indrindra no nahaterahan’ny teny filamatra hoe
“Masina ny tanindrazana”.

Raha te-ho mendrika ny maha-Malagasy anao
ianao, dia mijoroa manao adidy sy mandray andraikitra mba hampisy HASINY ity
FAHALEOVANTENA novidian-dafo ity.

Raha mpianatra ianao, milofosa tsara, mandratoa
fahaizana sy teknika hampandrosoana ity Firenena lovanao ity mba tsy ho
latsa-danja eo anivon’ny fanatontoloana.

Raha mpampianatra ianao na mpanabe, tsy atoro
ny tandrify anao. Anampy fotsiny dia ny mba hitaizana ireo ankizy sy tanora
hahay ampifaninfran-dalana ny fahaizana sy ny fahendrena.

Raha mpitsabo, na miaramila, na mpitsara, na
mpitandro filaminana, asa fanoloran-tena no nirosoanareo, tsiahivo mandrakariva
ny fianianana sy voady nataonareo. Asio hasiny izany

Nisy tantsaha tamin’ireo nitolona tamin’ny
1947, nisy mpivarotra, nisy mpanao asa-tanana, sy ny maro hafa, aoka isika
mpandimby aty aoriana tsy hanao rano raraka an-tany ny rà latsaka.

“Olona iray tsy mba vahoaka”, aoka samy hanao
izay tandrify azy.

Tena ao anatin’ny mangitsokitsoka ny
Firenentsika amin’izao fotoana izao. Aoka re ny taranak’ireo nogadraina sy
nampahoriana, ny taranak’ireo lasibatry ny basy sy tafondron’ny mpanjana-tany
tsy hifandripaka an-toerana. Tsy lohan’angidina ve isika raha ny nataon’ny
mpanjana-tany aza efa tsy fidiny ka isika samy Malagasy indray no
hifampitifitra sy hifamono eto ?Tsy misy antony na dia toa ny loham-panjaitra akory
aza hahafahana manamarina izany fifandirana sy adilahy izany. Tsy henatra eo
anatrehan’izao tontolo izao ihany fa tena fanaovana zinona ireo maritiorantsika
mihintsy ary fanapotehana ny ho avin’ny Firenena sy ny taranaka.

Dia tena jamban’ny vola ve ? sa tratry ny
adalam-pahefana ?sa jamban’ny voninahitra sy ambo-po diso toerana ? sa
domelin’ny toaka sy ny rongony na lasa adalan’ny filibana ny maro amin’ireo
misora-tena ho mpitondra isan-tsokajiny ? sa te-hanapotika ity tanindrazana ity
ho toy ny mofomamy ifampizarana amin’ny mpanondrana harena sy ny mpanjanaka
samihafa indray ?

Mety tsy ho voarakaraka toa an’ireo mpanjanaka
fahiny na hifanao famotsoran-keloka !

Aza adino anefa fa ny olona no mety manadino fa
ny Tantara tsy very tadidy.

Mandalo ihany ny “regimes”, mety ho potika ny
Firenena, fa ny Malagasy sy ny Tantarany mitoetra.

Soa fa tsy niteraka I Hitler fa mba ho nanao ahoana
re ny fiainan’ny taranany e !

Ho antsika Malagasy tsirairay, izay mahatsiaro
tena : Asio Hasiny re ny maha-olompirenena antsika e ! aza dia hamidy foana na
hanaovana rebik’ondry hanarahana olona mpitady sy mpiaro seza ! aza
matin-kaninkely amin’ny tombotsoa samihafa fa ny soa itambarana sy ny ho
lovan’ny taranaka no aoka ho jerena. Ny lohandohan’ny mpisorona mahita
lalan-kadosirana foana fa ianao izay vahoaka manohana azy isany avy mba ho aiza
?

Raha tena mpitondra marina izireo tsy natao
hotompoina na hivavahana fa natao hanompo kosa, raha tsy izany inona no
maha-hafa azy amin’ny mpanjanaka ?

Miloloha lanitra ka tsy maintsy lena, mandia
tany ka tsy maintsy solafaka. Tsy misy afaka mitompo teny ho tsy manan-tsiny
eto. Aoka isika hahay hifamela. Tondro tokana tsy mahazo hao ary izay
mitambatra vato. Mila FIRAISANKINA ny fanarenam-pirenena. Aoka averintsika ny
fanahy maha-olona mandala hatrany ny Fahendrena Malagasy. Aoka isika samy
hiezaka hifandefitra ary hiara-monina sy hiara-hiezaka amin’ny fampandrosoana
ao anatin’ny fifampitokisana sy fifanajana.

Ajoroy ny RARINY sy HITSINY ary kajio ny
FAHALEOVANTENA fa izay no nanaovan’ireo havantsika sorona ny ainy.

 

José Ramaromanana